Aro lozan’ny fifamoivoizana : Manohana an’i Madagasikara amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana ny ONU
Tanterahina androany 11 aprily 2025 eny Anosy ny atrikasa lehibe nampitondraina ny lohateny hoe : « Road Safety Madagascar », na aro lozan’ny fifamoivoizana eto Madagasikara. Mifandraika indrindra amin’ny fahatongavan’ny iraka manokan’ny Firenena Mikambana eto amintsika, tarihin’Atoa Jean Todt, izany, izay efa nanatanteraka fihaonana sy fitsidihana maromaro, omaly.
Fisorohana ny loza
Araka ny antontan’isan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), tamin’ny taona 2023, dia olona miisa 22,5 amin’ny 100 000 no maty noho ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Olana hafa atrehin’i Madagasikara ihany koa, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny tontolo Iainana (PNUE), tamin’ny taona 2024, ny fahasimban’ny lalana eto amintsika, ka mahatonga azy ireny ho lasa mampidi-doza.
Amin’izao fandalovan’ny iraka manokan’ny Firenena Mikambana momba ny aro lozan’ny fifamoivoizana eto Madagasikara izao, dia nandray ny delegasiônina notarihin’Atoa Jean Todt, notronin'ny Solontena maharitry ny Firenena Mikambana, Antony Ngororano, ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo. Nanatrika izany dinika izany ihany koa ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Ramonjavelo Valéry. Nivoitra, nandritra ny dinika nifanaovana, ny tokony hametrahana vahaolana maika, ho fanatsarana ity sehatry ny fifamoivoizana ity. Tanjona ny hampihenana ny ny taham-pahafatesana sy ny taham-paharatrana vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ho an'ny mpandeha an-tongotra, ny mpamily kodiaran-droa, ary ny mpampiasa fiarakodia sy fiara fitateram-bahoaka. Manoloana ireo olana atrehina dia nilaza i Jean Todt fa zava-dehibe ny fisorohana.
Fitsidihana sy fanentanana
Taorian’ny fihaonana tamin’ny praiminisitra dia nandeha nanatanteraka fanentanana teny amin'ny lisea Ampefiloha (LMA) ny delegasiônin’ny Firenena Mikambana, notronin’ireo tomponandraiki-panjakana, hetsika izay niarahana tamin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ihany koa ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fandraisana ireo marary izay niharan'ny lozam-pifamoivoizana teny anivon’ny hôpitaly, niarahana tamin’ny ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely Arivelo. Ny hariva kosa dia nisy ny fisafoana natao teny an-dalam-be, nanaovana fitiliana tahana alikaola amin’ireo mpamily (alcootest), izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Nofaranana tamin’ny fihaonana tamin'ireo mpisehatra ao anatin'ny tontolon'ny aro lozan'ny fifamoivozana ny andron’ny omaly, ary notohizina tamin’ny atrikasa lehibe, androany.
Araka ny fantatra, izao iraka tanterahan’ny Firenena Mikambana momba ny aro lozan’ny fifamoivoizana eto Madagasikara izao dia tohin’ny fifampiresahana efa nataon’ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro tany Marrakech, momba ny fanohanana an’i Madagasikara amin'ny fampihenana ny taham-pahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana.