• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mcc.Jpg
Image
Vaovao

Teatra : Mahaliana ny ankizy sy ny tanora ny tantara an-dapihazo

28/03/2025 15:36 © Moov

Raha somary lefy laza ny fiseharana amin’ny tantara an-dapihazo teto Madagasikara nandritra ny fotoana naharitra dia mahaliana ny ankizy sy ny tanora indray izany ankehitriny. Azo lazaina ho ambony ihany koa ny lenta, raha ny hita nandritra ny andro maneran-tany ho an'ny teatra, omaly. Mankalaza izany ny eto Madagasikara amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Fampiroboroboana ny teatra : fanamby goavana

Ireo mpianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa no tena manomboka miditra lalina amin’ny fanaovana teatra. Ezahin’ny minisitera rahateo ny hamerina io kolontsaina fanabeazana sy fialamboly io ho an’ny tanora sy ny ankizy. Izany indrindra no nanatanterahana ny fifaninana teatra nandraisan'ireo mpianatra avy amin'ny sekoly manodidina an'Antananarivo anjara.
Tao anatin’izany dia tropy 11 no nandray anjara ka ny 4 amin’izy ireo no tafiakatra nanao ny dingana famaranana. Lohahevitra tamin’ny fifaninana ny ady amin’ny kolikoly, ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny ady atao amin’ny doro tanety sy ny doro ala. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin'izany fifaninana teatra izany ny tropy avy amin'ny « Educ Plus théâtre », ny mpianatra avy amin'ny lisea Jean Joseph Rabearivelo no nahazo ny faharoa ary ny fahatelo kosa ny avy amin'ny CEG Andramasina.
Teo anatrehan’izany no nanambaran’ny avy ao amin’ny Minisitera fa mbola tena lehibe ny fanamby ilaina hampiroboroboana azy io, « ‎Mahavelombolo fa na dia eo aza ny tsy fahampiana fotodrafitr'asa ho an'ireo mpiantsehitra amin'ny teatra dia maro ny tanora liana sy misehatra amin'izany", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Vonona hifanome tanana mba hampisondrotra ny talentan’ireo tanora ao anatin’izany ny Minisitera hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny minisitera.

Teatra: mamolavola fitondran-tena tsara

Tsy natokana ho an’ny any an-tsekoly sy ny Ray aman-dReny ihany no manabe ny ankizy sy ny tanora. Afaka mandray anjara amin’izany ihany koa ny filalaovana teatra, izay mamolavola saina sy fitondran-tena tsara. Ao anatin’izany ny fampitomboana ny fahatokisan-tena sy fanehoana ny fihetseham-po. Ireo roa ireo, raha mbola ankizy dia ilainy ho amin’ny fivoaran’ny sainy, raha ny fanazavana avy amin’ny « Psychologue ». Ankoatra izay moa dia manamafy ny fahaizany miasa amam-bondrona ny fanaovana teatra ary hanamafy ny sainy hahay hamorona amin’ny alalan’ny famoronana fihetsika samihafa, eny ambony sehatra raha sendra misy ny olana, hoy ireo matihanina.
Amin’ny ankapobeny, isan’ny manampy ny ankizy sy ny tanora hanana toetra ilainy eo amin’ny fitomboany ny teatra, indrindra ny fitomboana ara-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires