• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Fankalazana ny 29 marsa 2025 : Fizahana ara-pahasalamana ho an'ireo zokiolona ao Moramanga

27/03/2025 13:41 © Moov

Raha tsiahivina, ny zoma 21 marsa lasa teo no nanomboka ny fankalazana ny faha-78 taonan'ny Tolompanafahana 1947. Ho an'ny any Moramanga, omaly sy androany ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an'ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona.

Anisan'ireo toerana voatonona hatrany i Moramanga, raha fankalazana ny 29 marsa no resaka. Nanomana fandaharam-potoana feno ireo tafika any an-toerana, eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely.

Tolotra ara-pahasalamana

Ao amin'ny Akany Fiadanantsoa, toerana izay ho tokanana ny 29 marsa ho avy izao, no andraisana ireo zokiolona maherin'ny 65 taona te hizaha fahasalamana ao Moramanga sy ny manodidina. Miara-misalahy amin'ny fanatanterahana ny fizahana ireo miaramila mpitsabo avy ao amin'ny Bataillon Médical Ampahibe sy avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Ireto avy ny tolotra ara-pahasalamana amin'izany :
-Fitsaboana ankapobeny
-Fitsaboana maso
-Fitsaboana fo
-Fampisakafoanana
Araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitra, omena torohevitra mikasika ny fisakafoanana ireo zokiolona. Misy toro maromaro mila arahina mantsy rehefa mitombo ny taona.

Fandraisana an-tanana feno

Toerana natokana handraisana ireo ireo Mpiady Tia Tanindrazana, nandray anjara na mivantana na ankolaka tamin'ny tolom-panafahana 29 marsa 1947 ny Akany Fiadanantsoa. Hisitraka fandraisana an-tanana feno araka izany ireo zokiolona voakasika ireo. Apetraka ao amin'ny Akany izy ireo, ka ho karakairan'ny fitondram-panjakana avokoa ny fiainan'izy ireo manontolo, na sakafo na fitaovana na fidiovana.

Tsara ny mampahatsiahy fa misy ihany koa ny fampirantiana mikasika ny tantaran'ny Tolona 1947 eo anivon'ny Akany Fiadanantsoa, izay efa nanomboka ny talata 25 marsa lasa teo.


Copyright Image : © Ministeran'ny Foloalindahy

Lire la suite

Articles Similaires