Taombaovao Malagasy 2025 : Manomboka androany 27 marsa ny fankalazana eny Ambohidratrimo
Manomboka androany 27 marsa ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025 eny Ambohidratrimo. Hisy hetsika maro entina hanamarihana izany, hatramin’ny 30 marsa.
Eny amin’ny Tranompokonolona Ambohidratrimo no ivon’ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy ho an’ireo mponina eny Marovatana sy ny manodidina, izay hitondra ny lohahevitra hoe « Ny omby sy ny tontolo iainana ». Araka ny efa natsidika, tsy hisy fankalazana eny anivon’ny Rovan’Ambohidratrimo, fa fanaovana sorona omby sy fanasinana ihany no eny ho an’ireo taranaka sy vondrona efa zatra manao izany. Ho an’ny rehetra kosa, efa misy fandaharam-potoana mipetrapetraka tsara mandritra ny 4 andro.
Velatseho sy fampiofanana
Hanombohana ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy, hisy ny fampirantiana mikasika ny Omby sy ny Tontolo iainana, androany alakamisy 27 marsa. Hampirantiana ao ihany koa ireo karazam-bato fanao haingo, arakaraka ny tonom-bintana. Amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hisokatra ho an’ny besinimaro ny varavaran’ny Tranompokonolona Ambohidratrimo.
Rahampitso zoma 28 marsa kosa, hahazo fampiofanana ireo vehivavy. Efa misy fikambanana mikarakara izany, mba hanampiana ny vehivavy hanana asa mahavelona sy hikarakara tsara ny tokantranony.
Totorebika sy asaramanitra
Lanonana makotroka no miandry ny mponin’i Marovatana mandritra ny 2 andro farany. Ny sabotsy 29 marsa, andro farany amin’ny taona, hisy ny fizarana Afo tsy maty, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hisy « caravane » miainga eo Ambohidratrimo mankeny Anosiala avy eo. Entina hanentanana ny rehetra hankalaza ny Taombaovao Malagasy izany. Rehefa maty masoandro kosa, hiatrika ny Afondasy ny rehetra, entina mamarana ny taona.
Ny alahady 30 marsa kosa, andron’ny taombaovao, amin’ny 6 ora sy sasany maraina dia hanomboka ny fety. Tsodrano sy vary amin-dronono tondrahan-tantely no ho sitrahin’ny rehetra amin’izany.
Tsara ny manamarika fa mikarakara fifaninanana fanorona ho an’ny ankizy ny eny Ambohidratrimo ny 29 sy 30 marsa.