• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Whh
Image
Vaovao

Fanabeazana ara-tontolo iainana : Mpampianatra miisa 143 nampiofanina mba ho mpampita izany amin’ny mpianatra

26/03/2025 16:36 © Moov

Mitoetra ho zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanabeazana momba ny tontolo iainana, eto Madagasikara. Manomboka eny amin’ny sekoly rahateo ny fiarovana ny tontolo iainana. Antony nanomezana fampiofanana ho an’ny mpampianatra miisa 143, tamin’ny alalan’ny tetikasa PASSAT 4 izay tohanan’ny BMZ. Ireto mpampianatra ireto rehefa avy eo no hampita ny fahaiza-manao tsara amin’ireo mpianatra.

Avy amina sekoly miisa 71

Mpampianatra 143 avy amina sekoly 71, miparitaka amin’ny kaominina efatra ao Ambositra, Ambatolampy, Miarinarivo ary Arivonimamo ireto nisitraka fiofanana ireto. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fampiharana samihafa ny fahaizana ara-teorika natolotra azy ireo. Natao izany mba tena hahazoan’izy ireo tsara kokoa ny hevitra momba ny fitantanana ny fako sy ny fiarovana ny tontolo iainana ; izay lohahevitra lehibe novelabelarina.
Rehefa voaofana moa izy ireo dia hampita izany fahaizany izany ao anatin’ireo sekoly misy azy tsirairay. Hanaraka izany ny fanaraha-maso sy fanampiana ataon’ny WHH, izay mpanatanteraka ny tetikasa. Tanjona dia mba ho tafapetraka maharitra ao anatin’ny fomba fiasa amin’ny sekoly izany, ka hahatonga fiovana tsikelikely amin’ny fomba fisainana sy fitondran-tena.

Hatomboka amin’ny ankizy kely

Tsara ny manamarika fa hiarahan’ny WHH manatanteraka amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ity asa ity. Ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny fako, hoy ny avy ao amin’ny WHH dia tsy maintsy hampahafantarina ny ankizy dieny mbola kely. Mora mandray lesona rahateo ny ankizy. Araka izany, ankoatra ny Ray aman-dReny dia hatomboka amin’ny mpampianatra ny fampiofanana satria izy ireo no mifanerasera matetika amin’ny ankizy.
Notolorana fitaovana fampianarana ara-ekolojika « Zaza Green » izy ireo. Fitaovana natao hanairana ny sain'ny mpianatra amin'ny andraikiny ara-tontolo iainana sy hamporisika ny fampiharana ny fitondrantena tsara izany. Araka izany, tsy vitan'ny hoe mianatra mitantana ny fako amin'ny fomba am-pahamendrehana ihany ny ankizy, fa hampianarina hanana fahazarana mampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainany.

Lire la suite

Articles Similaires