• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Taom-baovao malagasy : Mahasarika olona maro ny fampirantiana momba ireo foko ao amin'ny Rovan'i Madagasikara

26/03/2025 12:45 © Moov

Ahitana varotra fampirantiana ny kolontsaina isam-paritra eny amin’ny Rovan'i Madagasikara, nanomboka ny 24 hatramin’ny 28 marsa izao. Tafiditra ao anatin’ny hetsika isan-karazany hankalazana ny taom-baovao malagasy izany. Mahaliana olona maro, indrindra ireo tanora ny fitsidihana ireo trano eva isan-karazany.

Fampahafantarana ny foko 18

Tomefy olona avokoa ny ankamaroan’ireo trano eva maromaro mampiranty eny an-toerana. Tsy mijanona miditra ihany koa ny olona, izay maimaim-poana avokoa ny fanatrehana izany. Raha ny hita teny an-toerana dia ny tanora no tena liana amin’ny fahafahantarana ny mampiavaka ny foko miisa 18 eto Madagasikara. Raha tsiahivina mantsy dia ny mampiavaka ireo karazana foko ireo no tena hampahafantarina eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Samy manana ny trano eva ny foko tsirairay avy. Eo amin’izany toerany izany no hampahafantaran’izy ireo ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina mampiavaka azy.
Hita ao anatin’izany ny fomba fitafy izay hasehon’ireo mpiandraikitra trano eva amin’ny alalan’ny akanjo hisalorany. Eo ihany koa ny fomba fomba malagasy hazaivan’izy ireo. Mameno izany ny vokatra isan-karazany mampiavaka ny isam-poko sy ireo fitaovana fampiasan’izy ireo.

Mahaliana kokoa ny fomba amam-panao

Isan’ny mahabe fanontaniana ireo tanora mpitsidika ny mikasika ny fomba fomba sy ny kolontsaina. Ny mikasika ny fomba fanambadiana sy ny fandevenana no tena hanontanian’ireo tanora. Isan’ny mahaliana azy ireo ihany koa ny mikasika ireo lanonana samihafa. Mazava sy mivelatra rahateo ny fanazavana satria olona samy avy amin’ireo foko 18 ireo no mitazona ny trano eva tsirairay.
Isan’ny mahaliana kokoa ireo mpitsidika ohatra ny momba ny foko Tanala sy ny foko Antandroy. Ny fanambadiana sy ny manodidina izany, toy ny fanambadiana maro, izay tena resahin’ireo mpitsidika eo amin’ny foko Antandroy. Any amin’izy ireo raha tsiahivina no mbola ahitana izany lehilahy manambady maro izany.
Liana amin’ny hetsika maneho ny maha-malagasy azy toy izao ny tanora, izay tokony hisy matetika mba tsy hanadinoana ny fomba sy ny fanao.

Lire la suite

Articles Similaires