• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Filaminana : Polisy miisa 31 miofana momba ny fanarahamaso ny sisin-tany sy ny habaka

26/03/2025 11:10 © Moov

Ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona ho amin’ny filaminana sy fomba fiasa mahomby dia polisy miisa 31 no manaraka fiofanana momba ny asan'ny Polisy fanarahamaso ny sisin-tany sy ny habaka (PAF). Notanterahina tetsy amin'ny DRFC Antanimora.

Fanamafisam-pahalalana momba ny fiarovana ny sisin-tany

Mikendry ny hanatsarana ny tolotra sy ny fomba fiasan’ireo polisy ireo, tamin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaony amin'ny lafiny maro. Anisan’ny voarakitra ao anatin’izany fampiofanana izany ny fandraisana ny mpandeha, ny fomba fanaraha-maso sy fanamarinana ny taratasin’ireo mpandeha, ary koa ny fisorohana ny fanondranana olona an-tsokosoko sy fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena.
Hofanina hamantatra sy hisoroka ny tranga mety hampidi-doza eny amin’ny fotodrafitrasan’ny seranam-piaramanidina sy ny fiaramanidina izy ireo. Natao izany hiarovana ny mpandeha sy ny fotodrafitrasa.
Araka izany, hahafahan'ireo polisy manatsara ny fandraisana anjarany eny amin’ny toerana hiasany ka mba entina hanatsaràna ny tolotra sy ho famaliana ny hetahetan'ny olom-pirenena eny anivon'ny seranam-piaramanidina. Ity farany ity izay, raha tsiahivina dia hahazoana fitarainana matetika, indrindra eo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Araka izany, hamaly ny filàna amin’izao fotoana izao indrindra ny fiofanana izay hatolotra rehetra.

Hisehatra avy hatrany eo Ivato

Aorian’ny fiofanana dia handray ny andraikiny avy hatrany eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ireo mpitandro filaminana miisa 31 nahavita ity fiofanana ity ireo. Raha tsiahivina dia avy amin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy samihafa manerana ny nosy izy ireo. Nandalo fifantenana tsara mba hiantohana ny fahatomombanan’ny fivezivezen’ny mpandeha sy ny fanamafisana ny rafitra fiarovana eny amin’ny seranana, raha ny fanazavana.
Ny Talen'ny Fanaraha-maso ny Fifindra-monina (DCM), ny Contrôleur Général de Police Andrianirinarivelo Yves Rémi sy ny Talen'ny Fikarohana sy Fampiofanana Mitohy eto anivon’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RasoamananjarA Pierrette Marie Françoise, no nanokatra ny fampiofanana.

Lire la suite

Articles Similaires