• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Axian
Image
Vaovao

Kilasy garabola : Manokatra ny vavahadin-tsain'ny ankizy

25/03/2025 18:38 © Moov.Mg

Iray amin'ireo sekoly nisitraka ny fandaharanasa Sekoly Yas, izay Sekoly Telma teo aloha, iarahan’ny Fondation Axian miasa amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) Antanimena II. Nahafahan’ny sekoly nanana efitrano roa, natokana ho an’ireo ankizy ao amin’ny kilasy garabola (préscolaire) izany tohana izany.

Manomana ny ambaratonga fototra

Manan-danja eo amin’ny fanabeazana ny fidiran’ny ankizy ao amin’ny kilasy garabola, mialohan’ny hirosoana ao amin’ny ambaratonga fototra. Ankizy manodidina ny 4 na 5 taona no raisina amin’izany, amin’ny ankapoeny, eny amin’ireo sekolim-panjakana. Tanjon’ity kilasy ho an’ny ankizikely ity ny hanazarana azy ireo hifandray amin’ny hafa sy ny hampidirana azy ireo tsikelikely amin’ny tontolon’ny fanabeazana, araka ny toromariky ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Araka izany, rehefa nandalo garabola ny ankizy dia mora kokoa aminy ny manaraka ny fandaharam-pianarana ao amin’ny kilasy 11ème, araka ny nambaran’ny talen’ny EPP Antanimena II, ‎Rasoanantoanina Elisa. Famohazana ny varavaran-tsain’ny ankizy ny kilasy garabola, hoy izy, ka tsy mananosarotra intsony ireo mpampianatra ao amin’ny ambartonga fototra rehefa mandray azy ireo. Voafetra rahateo ny isan’ny ankizy raisina ao amin’ny garabola, mba hanamora ny fandraisana an-tanana azy ireo. Ankoatra ny mpanabe, dia tombony ho an’ny ray aman-dreny koa ny fisian’ny rafitra afaka mandray ireo ankizy kely, ka hahafahan’izy ireo miasa sy mitady vola.

Mitombo ny isan'ny mpianatra

Hatramin’ny nanohanan’ny Fondation Axian ny EPP Antanimena II dia nitombo ny isan’ny ankizy mpianatra. Tsy ireo miditra amin’ny kilasy garabola ihany, satria raha 600 isa izy ireo teo aloha, dia efa tafakatra 800 isa amin'izao ny tontalin'ny isan'ny mpianatra. "Satrin’ny olona hianatra ao amin’ny EPP Antanimena II noho ny fisian'ireo fotodrafitrasa avy amin'ny fandaharanasa Sekoly Yas", hoy ramatoa tale. Nanampy tamin’ny fanorenana lakilasy miisa 2 sy toeram-pivoahana 4 ao amin'ny sekoly ny Fondation Axian, araka ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires