• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 17 hatramin'ny 23 marsa 2025

24/03/2025 00:03 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 17 marsa hatramin'ny alahady 23 marsa 2025.

Baolina kitra # Nibata fandresena ny BAREA tany Maroc

Niverina indray ny fanantenan'ny mpitia baolina kitra malagasy, taorian'ireo faharesena nisesisesy. Nibata fandresena nanoloana ny ekipan'i Centrafrique ny Barean'i Madagasikara tany Maroc, ka 4 no 1 no isa nisarahana. Nampitombo ny isan'i Madagasikara izany, ka mitarika vonjimaika isika ao amin'ny Vondrona I. Tena azo antenaina araka izany ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny Coupe du Monde 2026. Niova tanteraka ny endri-dalao araka ny fandaminana napetraky ny mpanazatra vaovao Corentin Martins, sady natanjaka tsara avokoa ireo mpilalao rehetra.
Androany 24 marsa indray ny lalao manaraka, izay hifanandrinana amin'i Ghana, any Maroc ihany. Hivantana amin'ny TVM ny lalao, amin'ny 10 ora alina (ora eto Madagasikara).

Fahavaratra # Miakatra indray ny rano

Mihoatra ny fetra tokony ho izy (3,5 metatra) ny reniranon'Ikopa sy Sisaony, noho ny oramben'ny faraparan'ny herinandro lasa teo. Ny alahady 23 marsa tolakandro, 4,25 m ny haavon'i Sisaony mandalo eny Ampitatafika. Noho izany, nandray fanapahan-kevitra ny DREN Analamanga fa miato ny fampianarana eo anivon'ny CISCO Atsimondrano ny alatsinainy 24 marsa.
Mbola noho ny ora-mikija hatrany, nitrangana fahavakisana dobon-drano (Sahandrano) ny teny Ambohijanaka, ny alin'ny sabotsy 22 marsa. Namaky ny fefiloha tandrify ny Stationnement ao Mahaimandry izany. Feno rano na ny an-tanàna na ny arabe, ka nisy ankizy miisa roa namoy ny ainy mihitsy.

Heloka an'habaka # Reny mivarotra horonantsary mamoafadin'ny zanany 6 taona

Renim-pianakaviana iray no nampanao horonantsary vetaveta ny zanany vavy 6 taona monja. Efa nanomboka tamin'ny 2022 no nanaovany izany. Amidin'ilay ramatoa amina teratany vahiny moa ireo horonantsary alainy. Voasambotry ny Sampandraharahan'ny Polisy miady amin'ny heloka an'habaka ny tenany, satria voararan'ny lalàna ny herisetra ara-nofo atao amin'ny zaza tsy ampy taona. Nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin'ny FBI any Etazonia ka voasambotra ilay lehilahy mpandray ny horonantsary. Ampahatsiahivina fa miady amin'ny "pédopornograhie" sy ny "abus et exploitation sexuels d'enfants en ligne'" avokoa ny firenena rehetra.

Ministeran'ny Fitsarana # Famoahana Mpitsara vaovao miisa 99

Notanterahina ny zoma 21 marsa lasa teo, tao amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny famoahana ireo Mpitsara vaovao misalotra ny anarana "Kanty", avy amin’ny Sekolim-pirenena mampiofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) ao Tsaralalàna, andiany 2022. Miisa 60 no ho amin'ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny olon-tsotra (judiciaire), 20 ho amin'ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana (administratif) ary ny 19, ho amin'ny Fitsarana misahana ny Fitantanam-bolam-panjakana (financier).
"Aoka hijoro amin'ny fahitsiana, amin'ny fahamarinana, tsy atao sarin'ady na andrakandrana ny ady amin'ny kolikoly, fa mila atomboka amin'ny tena manokana" : izany no hafatry ny Mpitahiry ny Fitombokasem# panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

Fahasalamana # Fandinihana ny olan'ny Infirimiera sy Mpampivelona

Ny alakamisy lasa teo, nikasa ny hanao fitokonana fanairana ny Sendikan'ny Infirimiera sy Mpampivelona. Tsy tanteraka nefa izany noho ny fandaminana hentitra teo anivon'ny HJRA. Nikasa ny hanolotra "service minimum" fotsiny izy ireo. Noho ny olana maromaro izay tsy nahitam-bahaolana moa no anton'izany.
Ny ampitso, izany hoe ny zoma 21 marsa, noraisin'ny Minisitry ny fahasalamana ny Sendikan'ny Infirimiera sy Mpampivelona avy amin'ny Faritra 23 eto Madagasikara. Nodinihina manokana nandritra izany ny Fitondrana vahaolana maika sy maharitra amin’ny fanatanterahana ny andraikitra sahanin’izy ireo. Nisy ihany koa ny fifanakalozana ho fanatsarana ny fomba fiasa rehetra.

Fahavitan-tena ara-tsakafo # Fihaonamben'ireo Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana

Notanterahina nandritra ny 3 andro teny amin'ny Hôtel Carlton Anosy ny Fikaonan-dohan'ireo Komity mpandrindra ny fivorian'ny Filankevitry ny Minisitra iraisan'ireo Firenena eo anivon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana. Nifantoka tamin'ny famolavolana ireo paikady iraisan'ireo Firenena eo anivon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana amin'ny hampajariana ny fiahiana ara-tsakafo izany fihaonana izany.
Izany fikaonan-doha izany ihany koa dia nahafan'ireo Ministra miandraikitra ny sehatry ny Fambolena , ny fiompiana , ny Jono ary ny fanjariana ara-tsakafo niresaka sy nifanakalo hevitra amin’ny hametrahana ny fanamby sy ny paikady hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fahavitantena ara-tsakafo.

Antananarivo Renivohitra # Hetsika "Zéro Plastique"

Nivondrona ny CUA sy ireo Fikambanana Skoto sy ny Mpanabe Tanora tamin'ny hetsika "Zéro Plastique" nanomboka ny alarobia 19 marsa lasa teo. Fokontany 2 isaky ny boriboritany no voakasika. Nisy àry ny fanadiovana ka nalana avokoa ireo fako plastika teny amin'ny lakan-drano. Tsy adino ny fanentananana ny mponina amin’ny fitsinjarana fako plastika. Tanjona ny hampihenana ny fako plastika izay mandoto tanàna sady manentsina ny lalan'ny rano, izay anisan'ny mahatonga ny fiakaran'ny rano rehefa fotoam-pahavaratra toy izao.
Ireo rafitra sy fikambanana maro toy ny Ministeran’ny Rano, ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Ministeran’ny Mponina, ny Ministeran’ny Tontolo Iainana, ny Fikambanan’ny Skoto, ny CUA, ny Polisy Monisipaly, ny SMA, ny APIPA, ny RF2 sy maro hafa no niara-nisalahy tamin’ny hetsika.

Antananarivo I # Fanokafana ny “Guichet Unique d’Enregistrement des Naissances”

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny “Guichet Unique d’Enregistrement des Naissances” tao amin’ny Biraon’ny Boriboritany Voalohany Soarano, ny 19 marsa lasa teo. Tetikasa niarahan'ny CUA sy ny OIF izany. Mahazo tombontsoa ny rehetra satria miha-tsotra sy haingana ny fahazoana antontan-taratasy ara-panjakana, mba ialàna amin'ny fandaniam-potoana sy ny fivezivezena.
Tamin'io andron'ny fanokafana ny Guichet Unique io, nisy ny fizarana kopia nahaterahana miisa 1 500 ho an’ireo zaza 1 volana ka hatramin’ny 17 taona. Ho apetraka amin’ny boriboritany enina manerana an’Antananarivo moa ny Guichet unique.

Toamasina # Andiana tanora tratra nifoka rongony

Mian-dahy miam-bavy indray no saron'ny Polisy tao amin'ny Hotely lehibe iray tao Morafeno Toamasina. Nifoka rongony tao amina efitrano nofainy izy ireo. Norraisim-potsiny moa ireo tanora ireo satria teo am-pifohana zava-mahadomelina mahery vaika mihitsy no niditra ny mpitandro ny filaminana.
Miisa 9 ireo tanora voasambotra, ka ny 5 avy ao Toamasina ary ny 4 avy eto Antananarivo. "Tsy maintsy madio i Toamasina amin'ny lafiny rehetra, indrindra ny fandriam-pahalemana" hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka RAKOTOVAO Christian. Tafiditra ao anatin'ny hetsika fampandriana tany any Atsinanana moa ny fanenjehana ireo mpanao ratsy rehetra, ka anisan'izany ireo mpivarotra sy mpidoroka zava-mahadomelina.

Ihorombe # Fanaraha-maso ireo mpiompy trondro

Nidina ifotony tao Akondroabo Sakalalina ny avy ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe, ny 18 marsa lasa teo.
Fanaraha-maso akaiky sy tan-tsoroka ara-teknika hoan'ny fiompiana trondro ataon'ireo mpiompy ao an-toerana no natao tamin'izany. Nisy ny fanomezana toromarika amin'ny fanamboarana ny tanimbary hiompiana trondro na "rizipisciculture". Marihana fa manana dobo miisa 03 sy tanimbary azo anaovana fiompiana trondro miisa 06 ireto mpiompy trondro ireto. Ny olana misy amin'izy ireo matetika dia ny tsy fahampian'ny rano.

Androy # Nisitraka fanampiana ireo traboina tao Ambovombe

Nitohy tamin'iny herinandro lasa iny ny vonjy rano vaky ho an'ireo mponina tamin'ny toerana nolalovan'ny rivodoza Jude. Ho an'ny tao Ambovombe manokana, traboina maherin'ny 2 000 no notolorana kojakoja ao an-tokatrano , sakafo ,akanjo mafana ,sns. Teny amin'ny Sacré Cœur Ambovombe moa no nandraisana ireo traboina, ka nialoha ny niverenan'izy ireo tany an-tokantranony avy no nanolorana ireo fanampiana ireo.
Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Sady mpiahy ny Faritra Androy nisolotena ny fitondram-panjakana.

Mandritsara # Mpianatra nangalatra mangahazo

Mpianatra telolahy avy amin'ny Sekoly tsy miankina tao Mandritsara ville no tratra nangalatra mangahazo (mahogo) tao Maroamboka. Vokatry ny fisian'ny andrimasom-pokonolona mangingina no nahatratrarana ireo tanora ireo. Ny hanoanana no nanosika azy ireo hangalatra raha ny nambaran'izy ireo nandritra ny fanadihadihana. Natao raharaham-pihavanana ny raharaha. Nampiharina tamin'izy 3 lahy ihany koa ny Dinabe ary manefa 10. 000Ar isan'ireo mpanao andrimasom-pokonolona ho fanohanana azy ireo amin'ny fitandroana ny fahalemana, hoy Atoa Rabenaivo Gilbert.

Sambava # Hetsika Hazavana ho an'ny daholobe

Anjaran'ny eto Sambava indray no notolorana Jiro « Cobra » avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny 22 marsa lasa teo. Jiro Cobra miisa 35 no natolotra ho an'ny eto Sambava ary miisa 10 ho an'ny Kaominina Ambanivohitra Ampanefena.
Tanjona ny fanatsarana ny endriky ny tanàna, sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, amin’ny alalan’ny fanazavana ny lalambe sy ny elakelantrano. Asa tafiditra ao anaty fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny, ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.

Washington # Nanatrika ny Global Digital Summit 2025 i Madagasikara

Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny Global Digital Summit 2025 izay natao tany Washington ny Ministry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Ramatoa Stéphanie Delmotte. Nohamafisiny nandritra izany fihaonana izany fa vao haingana ny fiovana nomerika no napetraka teto amin’ny firenena, saingy manana tanjona mazava i Madagasikara ary tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena izany amin’ny 90%. Dingana lehibe ihany koa no vita amin’ny firaketana biometrika ny olom-pirenena manomboka amin’ny fahadimy taonany.
Na izany aza, mbola misy fanamby, anisan’izany ny fanaovana laharam-pahamehana ny nomerika, ny fiantohana ny fahavitrihan’ny mpisehatra ara-panjakana, ary ny fanitsiana ny paikady hifanaraka amin’ny toekarena eto an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires