Aterineto : Maherin’ny 50.000 isa ny sary, horonan-tsary … mifono fanararaotana ara-nofo ny ankizy malagasy
Tsy mbola mahafehy ny fampiasana ny tambajotra sosialy ny Malagasy maro, raha ireo tranga fandikan-dalàna an’habaka nitranga tato ho ato. Ireo ankizy tsy ampy taona sy ny vehivavy no tena lasibatra amin’izany, amin’ny ankapobeny. Mampahatsiahy ny amin’ny tokony hampiasana ny aterineto sy ny tambajotran-tserasera amin’ny fomba mendrika sy ao anaty fanajana ny lalàna, ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Herisetra amin’ny tambajotra sôsialy
Tsy azo ihodivirana amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao ny fampiasana ny aterineto, amin’ny ankapobeny, sy ny tambajotra sôsialy toy ny Facebook, na ho an’ny asa, na ho an’ny fianarana, na hifampizarana izay mahasoa sy ny mahafinaritra. Sehatra itrangan’ny herisetra sy ny fanararaotana isan-karazany ihany koa anefa ny habaka. Sarin-jaza miteny maloto, olo-malaza manao fihetsika mamoafady, mpampirona (influenceurs.ses) manao fitafy tsy maotina, famoahana sary na horonantsary tsy fampiseho olom-pady sy tsy nahazoana alalana avy amin’ny olona hita ao anatiny… Santionany ihany ireo, fa maromaro tato ho ato ireo endrika fandikan-dalàna zary lasa mahazatra, fahita any anaty tambajotran-tserasera.
Antony nametrahana lalàna mifehy ny fampiasana ny aterineto, ny mba hamehezana ny mpampiasa azy tsy hihoa-pefy. Nampatsiahy, noho izany ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina, fa « melohin’ny lalàna mikasika ny ady heloka, ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery, ary ny lalàna mifehy ny heloka an’habaka, ny famoahana sy fanaparitahana sary na horonantsary tsy nierana tamin’ny tompony (atteinte au droit à l’image) sy entina hanalana baraka azy (diffamation). Melohin’ny lalàna ihany koa ny fanalam-baraka iniana atao amin’olona, ho fanimbana ny fiainan’ny olona. Ny lalàna mifehy ny heloka an’habaka (laharana 2014-006 tamin’ny 17 jolay 201), dia manamafy fa heloka ihany koa ny fizarana (partage) ny tranga izay voalaza etsy ambony. »
Lasibatra ny ankizy
Ny ankizy, izay mora rebirebena, no isan’ny lasibatra indrindra eto Madagasikara, raha ny momba ny herisetra ara-nofo an’habaka no resahina. Araka ny antontan’isan’ny NCMEC (Ivon-toerana ao Etazonia misahana ny ankizy very sy tratran’ny fanararaotana), dia niisa 56.537 ny ranty nomerika mifono fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy, nivoaka avy eto Madagasikara, tamin’ny taona 2022. Manoloana izany antontan’isa midangana dia midangana izany, dia tena ilaina ny fampianarana sy fanentanana ny ankizy sy ny tanora, amin’ny fampiasana aterineto azo antoka, mba ho fiarovana azy ireo.
Efa misy ny tetikasa toy ny AESEL ,momba ny fiarovana ny ankizy amin’ny fanaranam-pilàna ara-nofo sy fanararaotana azy ireo ao anaty aterineto, tanterahin’ny ECPAT France sy tohanan’ny UNICEF, saingy mbola mila ampiana tosika. Na ny olon-dehibe ihany koa aza dia mila fanabeazana ara-nomerika. Misy mantsy, ohatra, ireo mahasahisahy satria mihevitra azy ho tsy misy mpahalala, satria mialokaloka ao ambadiky ny kaonty fako. Tsy sarotra anefa ny mikaroka ny olona nanao fandikan-dalàna an’habaka, eny na dia tsy tena anarany sy tsy tena sariny aza no ampiasainy.
Ady amin’ny herisetra
Isan’ny zava-dehibe ihany koa ny fampiroboroboana ny ady amin’ny herisetra amin’ny ankapobeny sy ny herisetra an’habaka manokana. Ao anatin’izany ny fampahafantarana ny olona, fa tsy misy na inona na inona azo anamarinana ny herisetra, izany hoe : diso foana ny olona nampihatra herisetra, na inona na inona antony. Ny fanamelohana ny olona niharan’ny herisetra dia vao mainka manome vahana ny tsimatimanota. « Isaky ny misy vehivavy iray voatery mangina noho ny henatra sy ny fitsaran’ny manodidina azy, dia midika ho fihemorana amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na mahavavy », hoy ny hetsika Women Break the Silence, izay manohana ireo vehivavy niharan’ny herisetra.