Tolom-panafahana 29 marsa 1947 : Haharitra 10 andro ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taona
Hanomboka ny 21 marsa izao ny fankalazana ny hetsi-pahatsiarovana ny faha 78 taonan'ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy teny amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, omaly mantsy ny sary famantarana sy ny tarakevitra. Nandritra izany ihany koa no nilazana ny mety ho fizotran’ny fandaharam-potoana.
Fampirantiana samihafa
« Tolom-panafahana, fanilo miampita ho an'ny taranaka », izany no tarakevitra noraisina mandritra izao hetsi-pahatsiarovana izao. Ho fanatanterahana izany indrindra dia hisy ny fampirantiana samihafa hahafahana mampita ny tantara amin’ireo ankizy sy tanora amin’izao fotoana. Hanomboka amin’ny fomba ôfisialy ny hetsika rehetra ny 21 marsa 2025 ho avy izao. Hisy ny fampirantiana eny amin’ny Kianjan'ny Barea Mahamasina. Manomboka ny 24 marsa kosa no hanatanterahana ny fampirantiana eny anivon’ireo Sekoly eto Antananarivo sy ny manodidina. Izany no hatao mba tena hipaka amin’ireo taranaka ny mombamomba ny zava-misy tamin’izany.
Tanjona amin’ny fanaovana ity hetsika ity ny fameloma-maso ny tantara, sy ny fampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany, amin'ireo taranaka aty aoriana.
Etsy ankilany moa dia hifanindra-dalana amin’izany ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an'ny Mpiady Tia Tanindrazana sy ireo beantitra mihoatra ny 65 taona.
Hampifanarahana amin’ny soatoavina
Nanambara Andriamatoa Amiraly Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, Assany Bemarivo Jeannot fa ireo hetsika rehetra tanterahina amin'izao fahatsiarovana izao dia ezahina hifanaraka amin'ny soatoavina malagasy. Tanjon’izany ny hampita tokoa aty amin'ny taranaka aty aoriana izany ary hifanaraka tanteraka amin'ny tarakevitra voizina. Marihina fa manerana ny Nosy ny hetsi-pahatsiarovana fa hiavaka kosa izany ho an'Antananarivo, Manakara ary Moramanga.
Tahaka ny fanao isan-taona koa dia hisy ny fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena, ka ny Sabotsy 22 marsa 2025 dia hifamotoana eny amin'ny Fiangonana Advantista Soamanandrariny ny rehetra ary eny amin'ny EKAR Andohalo kosa ny Alahady 23 marsa.
Ny andron'ny 29 marsa 2025 kosa no hanatanterahana ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin'ny Fasan'ny Mahery Fo sy ny fanehoana ny afo tsy maty.



