Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 10 hatramin'ny 16 marsa 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 10 hatramin'ny alahady 16 marsa 2025
Autoroute # Mihaino ireo olona voakasika ireo tompon'andraikitra
Nitohy tamin'iny herinandro lasa iny ny fifampiresahan'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ireo olona voakasiky ny tetikasa lalambe migodana "autoroute" mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Tonga nanantanteraka dinidinika sy nandray ireo hetahetan'ny vahoaka tany an-toerana ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, niaraka tamin'ny mpiaramiasa aminy.
Hisy ny fanafainganana ireo antotan-taratasy rehetra mikasika ny fandoavana ny vola fanonerana na " indemnité d'expropriation" ho an'ireo olona rehetra voakasiky ny tetikasa. Nanamafy ny Minisitra tomponandraikitra fa misokatra mandrakariva ny varavaran'ny Minisitera mandray ireo fitarainana na fiaraha-miasa entina hampandroso ny tetikasa.
Oniversite sy IST # Vonona ny Equipement sy Vatsimpianarana 3 volana
Tapaka tamin'ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 12 marsa lasa teo fa hivoaka ny Equipement sy Vatsimpianarana 3 volana ho an'ireo oniversitem-panjakana miisa 6 sy ireo IST miisa 3.
Mihatra ny Digitalisation amin’ny fitantanana ny Vatsim-pianarana, ka hita tamin’izany ny fanodikodinam-bola mitenina 14 miliara ariary. 29 miliara ariary ny totalin’ny vatsim-pianarana zaraina amin’ireo mpianatry ny Oniversite sy ny IST manerana an’i Madagasikara , raha 43 miliara be izao no voasoratra teo aloha.
Tsy adino ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa. Efa amboarina ny trano fatorian’ireo mpianatra eny amin’ny ESPA Vontovorona. Hisy fanamboarana ihany koa ny « Blocs sanitaires » eny amin’ny Oniversite Ankatso.
Antananarivo # Andro ho an’ny Skotisma Afrikanina
I Madagasikara no nandray ny Andro ho an'ny Skotisma Afrikana. Ny 12 hatramin'ny 16 Martsa no nanatanterahana ny hetsika fankalazana, teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina.
Firenena miisa 19 no nandray anjara tamin’ny hetsika, izay nasongadin’ny fampirantiana lehibe mampiseho ny hasin’ny skotisma sy ny fandraisan’anjara amin’ny fiarahamonina. Ny lohahevitra nobanjinina moa dia ny hoe “Manangàna fiainana iainanao – Façonner la vie que vous menez – Shaping the life you lead.” Anisan'ireo nanome voninahitra ny fankalazana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa.
Maniry ny mba ho lasa fikambanana mijoro ara-panjakana moa ny skoto eto Madagasikara.
Mahajanga # Nahazo fiofanana ireo ankizivavy mpianatra
Ankizivavy mpianatra miisa 300 avy amin'ny kolejy sy lisea, eo anelanelan'ny 10 hatramin'ny 21 taona no nanaraka indray ny fiofanana HOPE tao Mahajanga.Nitondra ny lohahevitra "soratako ny hoaviko" ity fiofanana ity izay niompana tamin'ny fampivoarana ny maha olona na ny "développement personnel".
Ity natao tao Mahajanga ity no fiofanana HOPE faharoa niarahan'ny Henka Suru sy ny Fikambanana Fitia raha toa ka ireo vehivavy vadina mpitandro filaminana no nahazo fiofanana tamin'ny andiany voalohany. Nankahery sy nanohana hatrany ireto tovovavy ireto ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, ary namporisika azy ireo hatoky tena hatrany sy hanome lanja ny safidiny hahafahan'izy ireo mandray an-tanana ny hoaviny.
Mahajanga # Nakatona ny "restaurant" ao amin'ny Coco Beach
Miato aloha ny "service restauration" eo anivon'ny hôtely sy toeram-pialam-boly Coco Beach Mahajanga. Noho ny trangana fanapoizinana ara-tsakafo nihatra tamin'ireo delegasiona notarihan'ny filoham-pirenena mivady izany, nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Marobe tamin'ireo mpisakafo no narary kibo, ka roapolo mahery ireo niditra hopitaly, ary am-polony kosa ireo voatery nanatona toeram-pitsaboana.
Tsy ilay toerana akory no nakatona, fa ny fampisakafoanana no tsy azon'izy ireo atao mandritra ny fotoana voafetra. Mbola hisy ny dingana maromaro tsy maintsy ho tanterahina vao mety hahazo alalana hampisakafo indray ny Coco Beach.
Toamasina # Voasambotra ireo mpanendaka nanindrona antsy olona
Ny 04 Martsa 2025 tamin'ny 9 ora sy 20 minitra no nisy nanendaka sy nanatsatoka antsy itompokolahy Tahiana Randriamahefa ka nitarika ny fahafatesany. Niparitaka tany amin'ny tambazotran-tserasera ny horonantsary namonoana ilay tovolahy, ka maro tokoa ireo niezaka nanome vaovao ireo mpitandro ny filaminana. Natao ny fanadihadihana lalina sy ny vela-pandrika ka voasambotra soa aman-tsara ireo roalahy nanindrona antsy. Nosamborina tao Ampandrana/Tsarakofafa ny iray, ary tao Antetezambaro ny iray. Ity farany moa dia efa nitsoaka tany Fénérive Est. Samy nanaiky ny heloka vitany izy roalahy ireto, nandritra ny famotorana savaranonando natao azy.
Toliara # Nisitraka fanampiana ireo traboina
Nandravarava ny faritra atsimon'ny nosy ilay rivodoza Jude, nanomboka ny alin'ny alakamisy 13 marsa lasa teo. Niditra an-tanety tao avaratr'Itampolo, ny marainan'ny sabotsy 15 marsa tamin'ny 1 ora maraina moa io rivodoza mahery io. Ny rivotra mafy sy ny orambe nentiny no nampiakatra ny rano sady nanimba fotodrafitr'asa maro.
Araka ny tatitry ny depiote Tinoka Roberto, ny takarivan'ny sabotsy 15 marsa lasa teo, fianakaviana miisa 1.715 no voatery nafindra toerana tamina fandraisana traboina miisa 4 tao Toliara. Zaraina sakafo ireo traboina mandra-piverin'izy ireo any amin'ny trano fonenany avy. Misy ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo marary.
Ankatso II # Notokanana ny lavadrano eny amin'ny Cité R+1
Nametrahana ny lava-drano na « forage » ny eny amin'ny Cité R+1 Ankatso II, ho famahana ny olan'ny fahatapahan-drano. Niara-nanatanteraka izao tetik'asa izao ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa sy ny Communauté Musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM).
Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana, ary misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. Ankoatra ny rano izay azo ampiasaina ivelan’ny trano fonenana dia tafiditra ao amin’ny efitranon’ny mpianatra tsirairay ankehitriny ny rano fisotro madio.
Nisy ihany koa fanampiana ara-tsakafo natolotra ireo mpianatra, « colis alimentaire », amin’izao vanim-potoanan’ny Ramadan izao, ho an’ny mpianatra silamo eny Ankatso.
Anosibe # Nosokafana ny Dispansera Fahasoavana
Natao hitsaboana ireo fianakaviana marefo eny Anosibe Andrefana I sy II, Mandrangobato I sy II, Angarangarana ny Dispansera Fahasoavana. « MANOME AINA, MIZARA FITIAVANA » no teny filamatra nosafidian'ny senatera Lalatiana Rakotondrazafy, reny mpiahy, ho an’izany toeram-pitsaboana izany. Misy ny fitsaboana ho an’ny rehetra (médecine générale) sy ny fitsaboana manokana ny reny sy ny zaza.
Ho fanamarihana ny fisokafany dia nisy ny fanangonan-drà, ka olona 150 no nanome rà maimaimpoana ka natolotra ny « banque de sang » eo anivon’ny HJRA. Matetika mantsy olana ho an’ireo mpiteraka koa ny tsy fahampiana rà any amin’ny hopitaly hiterahana ka mba ho fifanampiana amin’izany indrindra no nanaovana izany hetsika izany.
Anosizato Andrefana # Fanampiana ireo beantitra sy renim-pianakaviana marefo
Beantitra sy renim-pianakaviana marefo miisa 1000 no nisitraka fanampiana toy ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, akoho ary tohana ara-tsakafo, ny zoma 14 martsa lasa teo. Fizarana fifaliana tamin'ireo vehivavy noho ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy no natao.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny Politika Ankapobeny ny Fanjakana na PGE ity hetsika ity satria mamaly ny andry fototra voalohany amin’ny fampandrosoana, dia ny fijerena ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha-olona. Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny sekreteram-panjakana Tahiana Razanamahefa fa "Miahy sy manampy ny mponin’Anosizato Andrefana ny fitondram-panjakana"