• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minjus
Image
Vaovao

Fahasalamana : Nisitraka fanafody « fer » 7 569 boaty ireo voafonja

12/03/2025 14:33 © Moov

Fiahiana ny fahasalaman’ireo voafonja. Tonga nitsidika ny Fonjaben' Antanimora ny ekipan'ny Orinasa "SALAMA", notarihin'ny Farmasiana tompon'andraikitra, Ramatoa Soafara Andrianome, omaly. Nandritra izany fandalovan'izy ireo izany dia nanolotra tamin'ny fomba ofisialy, fanafody "FER" ho fanampiana ny voafonja izy ireo.

Ho an’ireo voafonja rehetra

Raha ny tanjon’ny orinasa Salama dia haparitaka ho an’ireo voafonja rehetra manerana ny Nosy ireto fanafody ireto. Ahitana fanafody 100 isaky ny boaty ireo nozaraina ireo. Izany hoe mitotaly 746 900 ireo fanafody naparitaka, manerana ny Nosy. Miisa 3 830 amin’ireo kosa dia ho an’i Analamanga manokana. Teny filamatry ny orinasa « Salama » rahateo ny hoe « "Fahasalamana ho an'ny rehetra". Izany indrindra no antony nanaparitahana ireto fanafody ireto.
Ny « fer » araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia manampy amin’ny ady amin’ny havizanana, manampy amin’ny tsy fahampian-drà, mampihena ny faharenesana fanina, mampitombo ny faharanitan-tsaina sy ny fikarohana ary manamafy ny hery fiarovana. Sarotra ho an’ny voafonja anefa matetika ny mahita na manana fahafahana misitraka ireny karazam-panafody ireny ka izany indrindra no nitondrana ny fanampiana.

Orinasa Salama

Orinasa nitsangana ny taona 1996, nataon’ny Fanjakana Malagasy, ny orinasa Salama. Tanjon’izy ireo ao anatin’izany ny fiantohana ny famatsiana fanafody tena ilaina eto Madagasikara. Eo ihany koa ireo kojakoja ara-pahasalamana ary fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny tobim-pahasalamana sy ny fikambanana tsy miankina miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Hataon’izy ireo ao anatin’izany ny fanamorana ny fahazoan’ny tsirairay fanafody tena ilaina sy ny kojakoja ara-pahasalamana ho an’ny malagasy rehetra.
Isan’ny malagasy tokony hisitraka izany tombontsoa izany ihany koa ny voafonja ka izany indrindra no nanolorana azy ireo maimaimpoana ireto fanafody ireto.

Lire la suite

Articles Similaires