CSW69 any New York : Mandray anjara amin’ny dinika momba ny zon’ny vehivavy i Madagasikara
Mandray anjara amin'ny fivoriambe andiany faha-69 ho an'ny Kaomisiônina misahana ny anjara toeran'ny Vehivavy ao anatin'ny Firenena Mikambana na CSW69 i Madagasikara. Nanomboka ny 10 martsa hatramin’ny 21 martsa izany fihaonana fanao isan-taona izany, ary tanterahina any amin’ny foibe toeran’ny Firenena Mikambana any New York.
30 taona aty aorian’ny Fanambaran’i Beijing
Mitarika ny delegasiônina malagasy, mandray anjara amin’ity fivoriambe ity ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Razafinjato Aurélie. Fotoana manan-danja manokana ity andiany faha-69 ity, satria handinihana ny momba ny zava-bita sy ireo ezaka mbola tokony hatao, 30 taona aty aorian’ny Fanambaran’i Beijing, momba ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy ary ny fampahaleovan-tenan’ny vehivavy.
Araka ny tatitry ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina, dia dinihina mandritra ity fivoriamben’ny CSW69 ity ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ; ny fahasalamana sy ny fanabeazana ; ny fampitsaharana ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy ; ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin'ny fampandrosoana lovainjafy ; ny fampananan'asa mahavelona ; ny ady amin'ny fahantrana ; sy ny fiahiana ara-tsosialy.
Mbola betsaka ny asa miandry
Raha tsiahivina, nanokatra lalana mizotra mankany amin’ny fitovian-jo ny Fanambaran’i Beijing. Isan’ny nahafahan’ny vehivavy tany amin’ny firenena maro mandray anjara amin’ny zotram-pifidianana izany, mahatonga ny vehivavy maro ho afaka miasa, mitana andraikitra ambony isan-karazany ; nahafahan’ny ankizivavy misitraka fanabeazana toa ny ankizilahy ; nahatonga ny firenena maro nanamafy ny lalàna momba ny ady amin’ny herisetra… Etsy an-daniny anefa, mbola vehivavy iray no mamoy ny ainy isaky ny 10 minitra, maneran-tany, noho ny herisetra nataon’ny lehilahy akaiky azy ; mbola tsy misitraka ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina toy ny lehilahy ny vehivavy ; ary mbola ny vehivavy sy ny ankizivavy no miaina ny voka-dratsy mafy indrindra vokatry ny fiovan'ny toetr’andro, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.
Nandritry ny fandraisam-piteneny dia nilaza ny minisitry ny Mponina fa betsaka ireo ezaka efa vitan'i Madagasikara amin'ny fanomezan-danja ny zon'ny vehivavy malagasy fa mbola betsaka ihany koa ny asa miandry amin'ny fampizakan-tena azy ireo.
Ankoatra ny fivoriana nitambaran’ireo solontenan’ny governemanta rehetra maneran-tany, ireo avy amin’ny firaisamonim-pirenena sy ireo mpisehatra hafa maro, dia nisy ihany koa ny fivoriana manokana mahakasika ny fampiharana ireo fanamby tany Beijing, ao anatin'ny Vondrona SADC, izay nataon'ireo minisitra sy ireo tomponandraikitra misahana ny vehivavy. Nampahatsiahivina tamin'io, fa i Madagasikara no hampiantrano ny fivoriambe fara-tampon'ny SADC amin'ny volana aogositra 2025.