• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Vaovao

Vehivavy manana fahasembanana : Iharan’ny herisetra, maro no terena ho momba

11/03/2025 15:22 © Moov.Mg

Iharan’ny herisetra kokoa ireo vehivay sy ankizivavy manana fahasembanana, araka ny tatitra voarain’ny Firenena Mikambana, omaly 10 martsa 2025. Ny fanafoanana ny fahafahan’izy ireo miteraka no isan’ny herisetra goavana mitranga amin’izy ireny, ankoatra ny fanararaotana ara-nofo sy ny herisetra ao an-tokantrano.

Vehivavy manana fahasembanana, tsy misitraka ny zony

Ankoatra ireo herisetra mihatra amin’ny vehivavy manana fahasembanana eo anivon’ny fianakaviany, sy ny herisetra ara-pananahana mety hahazo azy ireny, dia ahitana trangana herisetra ihany koa eny anivon’ny tobim-pahasalamana, araka ny nambaran’i Heba Hagrass, Mpitatitra manokana momba ny zon'ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny Filankevitry ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana. Misy tobim-pahasalamana mantsy, maneran-tany, mampihatra pôlitika manakana ireo vehivavy manana fahasembanana, na ara-batana na ara-tsaina, mba tsy hanan-janaka. Misy mihitsy ny fanerena azy ireny, mivantana na an-kolaka, hihinana fanafody tsy mampiteraka, na hanatanterahana fandidiana mitarika mankany amin’ny fahamombana.

Etsy an-daniny, betsaka ny sakana mahatonga ny vehivavy manana fahasembanana tsy hisitraka ireo tolotra momba ny fahasalamana ara-pananahana. Misy amin’ireo mpitsabo no tsy mihaino tanteraka ny hetahetan’ireo vehivavy, ary misy ihany koa no tsy manazava tsara akory ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana ataony, araka ny tatitra nataon-drtoa Heba Hagrass.

Tokony hatsaraina ny lalàna

« Tahaka ny tsy manana fiainam-pananahana no fiheveran’ny dokotera sasany anay, ka hafahafa fijery izy ireo rehefa manontany momba ny fomba fandrindram-piterahana izahay », hoy ny fijoroana vavolombelon’i Rindra, vehivavy 28 taona, manana fahasembanana ara-batana. « Lasa tsy sahy manatona dokotera izahay, nefa betsaka aminay no araraotin’ny olona ara-nofo. Raha mangataka fanampiana amin’ny lehilahy, ohatra izahay, mba hibata entana, dia misy mihitsy no mahasahy mangataka firaiana ara-nofo ho tambiny. Misy manaiky ireo vehivavy manana fahasembanana, satria tsy ho vitany ilay fibatana entana, fa misy ihany koa no manaiky, satria heveriny fa fanomezan-danja azy ny fanirian’ny lehilahy hiray ara-nofo aminy ».

Noho ny tranga tahaka izany, dia nilaza ity tomponandraikitra momba ny zon’ny vehivavy manana fahasembanana ity fa mila amafisina ny fiarovana, ka avondrona amin’ny toerana iray ireo rafitra rehetra afaka manampy azy raha tojo herisetra. Mbola mananosarotra ihany koa mantsy ny fitorohana, ho an’ny vehivavy manana fahasembanana, noho ny tsy fahatomombanan’ny lalàna, fa ihany koa, noho ny tsy fandraisana ho matotra ny fitoriana apetrak’izy ireo, indraindray. Nomarihin-drtoa Heba Hagrass, fa efa miaina fanilikilihana ny vehivavy, amin’ny akapobeny, saingy mbola miampy izany, ho an’ireo vehivavy manana fahasembanana. Isan’ny antony tokony hanatsarana ny lalàna izany, mba hahafahan’ny vehivavy manana fahasembanana mangataka onitra, noho ny herisetra nahazo azy, hoy izy.

Lire la suite

Articles Similaires