Fampianarana ankapobeny : Hitovy isaky ny DREN ny laza adina CEPE amin’ity taona ity
Raha ny nahazatra hatrizay dia laza adina tokana no hampiasaina isaky ny faritany amin’ny fanadinam-panjakana CEPE. Manomboka amin’ity taona ity dia ny isaky ny DREN na ny fitaleavam-paritra ny fanabeazam-pirenena no hamaritra ny laza adina. Araka izany, ny laza adina isaky ny CISCO no hitovy.
Mitovy ny lentan’ny diplaoma
Samy hafa ny laza adina isaky ny DREN, saingy hitovy kosa ny lentan’ny fanadinana sy ny diplaoma mivoaka. « Efa misy ny lasitra napetraka ho an’ny fandrafetana ny laza adina na ny « analyse des épreuves » notanterahina hatramin’izay ary io no mamaritra ny lentan’ny fahaizana takiana amin’ny ankizy mahavita ny dingana voalohany (école primaire) », hoy ny avy ao amin’ny foibem-pitondrana misahana ny fanadinam-panjakana sy ny fanamarinana mari-pahaizana (DEXAMC). Io ihany koa no hampiasaina hahafahana mampitovy lenta ny laza adina rehetra manerana ny Nosy, na dia tsy hitovy aza ny fametrahana ny fanontaniana sy ny fisehony. Ireo mpampianatra isaky ny CISCO, araka izany no hamaritra ny laza adina.
Nanamarika moa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) fa tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny politikan'ny fitsinjaram-pahefana amin'ny alalan'ny fampandraisana anjara ny faritra sy ny distrika amin'ny fanatanterahana ny asam-panjakana ity fanapahan-kevitra ity.
Hisy ny tan-tsoroka avy amin’ny MEN
Ankoatra izany hevitra tapaka izany dia hisy hatrany ny tan-tsoroka avy amin’ny Ministera foibe amin’ny asa ara-teknika isan-karazany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana ny DREN tsirairay amin’ny fiarovana mandritra ny fitaterana ny laza adina mankeny amin’ny foibem-panadinana. Hiara-hiasa ao anatin’izany ny ministera sy tompon'andraikitra maro izay efa niara niasa tamin'ny fanomanana sy ny fanantanterahana ny fanadinam-panjakana tamin'ny taona lasa.
Vonona ny minisitera foibe sy ireo rantsa-mangaika isan-tsokajiny amin’ny hoenti-manana amin’ny famatsiana ara-pitaovana sy ny tantsoroka ara-teknika amin’ny fanatontosana antsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana.
Raha tsiahivina dia ny 17 jona, no hanatanterahana ity fanadinam-panjakana voalohany CEPE, ity, manerana an’i Madagasikara.