• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Raharaha Rasazy Narindra : Mbola miandry didim-pitsarana raikitra ny fanamelohana

11/03/2025 08:15 © Moov

Tafakatra 18 ireo voarohirohy amin'ny famonoana ny Ben'ny Tananan'i Mangataboangy, Rasazy Narindra.

Niakatra fampanoavana avokoa ireo olona 18 voarohirohy tamin'ny fitifirana ny Rasazy Narindra. Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora sy Tsiafahy izy ireo, mandra-piandry ny didy raikitra mikasika ity raharaha ity.

Disadisa marolafy

Nanam-pahavalo tokoa ny Rasazy Narindra satria nikasa hampandala ny fahamarinana teo anivon'ny kaominina notantaniny. Noho ny tsy fahatomobanan'ny fitantanana ny volan'ny kaominina mantsy, saika hitoroka any amin'ny rafitra mahefa toy ny Bianco ny Ben'ny Tanana vaovao. Maromaro ireo tokony hanefa vola, ka anisan'izany ny mpitrandraka sasany any an-toerana. Efa naharay fandrahonana moa i Rasazy Narindra fahavelony sady nametraka fitoriana fiandry mihitsy. Heverina izany fa maromaro ny antony tsy maintsy namonoana azy : "Élimination" no natao satria nanohintohina ny tombontsoan'olom-bitsy ny tenany.

Mbola tsy misy meloka

Mbola tsy namoaka didy raikitra mikasika ireo olona voarohirohy rehetra ny Fitsarana. Azo lazaina izany fa mbola tsy meloka izy ireo na iray aza. Ho fanajana ny "présomption d'innocence" indrindra no tsy hahafahana manonona anarana na mampiseho ny sariny.
Etsy ankilany, manana porofo mivaingana maromaro ny Fitsarana, ka izany no nahafahana nitazona ireo rehetra voarohirohy. Nisy ny fanadihadihana lalina natao, ka anisan'ny nojerena manokana ny fifandraisa an-telefaonina nataon'ireo voarohirohy tamin'ny andron'ny famonoana, na antso na sms. "Ny mpanao fanadihadiana sy ny mpitsara mpanao famotoroana dia manana singam-baovao na « éléments » nahafahana nampiditra vonjimaika am-ponja ireo olona voarohirohy tamin’ny famonoana an’i Rasazy Narindra", araka ny nambaran'ny Tonia mpampanoa lalana eny anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany. Araka izany, nisy ny "requisition téléphonique" notanterahina ka tratra tao ireo antso sy sms rehetra natao na dia efa namafa izany tao anaty findainy aza ny sasany tamin'ireo olona ireo.

Sazy mavesatra

Misy vesatra maromaro iampangana ireo olona 18 ireo, ka anisan'izany ny vono olona efa voaomana, ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ary ny fikambanan'olondratsy. Azo antoka fa tsy azo ialana ny fidirana am-ponja sazy mihatra, miaraka amin'ny fandoavana onitra / lamandy. Tsiahivina fa olom-boafidy ity novonoina ity ka hisy fiantraikany amin'ny sazy hihatra izany.
Andrasana araka izany ny fotoam-pitsarana sy ny didy hivoaka amin'izany.

Lire la suite

Articles Similaires