Fihaonana an-tampony N4G : Fanararaotra ho an’i Madagasikara, ho fanamafisana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo
Iray amin’ireo firenena handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena mikasika ny fanjariantsakafo ho an'ny fitomboan'ny harinkarena (N4G), izay hatao any Parisy ny 27 sy 28 martsa 2025 ho avy izao, i Madagasikara. Fanararaotra io, hanamafisana ny firotsahan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, izay sehatra tena mbola mila tohana goavana eto amintsika.
Fitsidihana manokana
Raha tsiahivina dia tonga namita iraka teto Madagasikara Rtoa Afshan Khan, sekretara jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana sady mpandrindra ny hetsika ho an'ny fanamafisana ny fanjariantsakafo (SUN na Scale Up Nutrition) sy Atoa Brieuc Pont, tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fihaonambe N4G, ny 22 hatramin’ny 26 febroary lasa teo. Nambaran’ny avy eo anivon’ny vovonana HINA, izay mpikambana ao anatin’ny hetsika SUN, fa tombony manokana ho an’i Madagasikara ny fitsidihana nataon’ireto tomponandraikitra ambony momba ny fanjariantsakafo ireto teto amintsika. Miisa 66 mantsy, hoy i Beninandiana Willy, sekretera mpanatanteraky ny vovonana HINA, ireo firenena mivondrona ao anatin’ny hetsika SUN, saingy isika eto Madagasikara no nosinganin’izy ireo.
Nidina ifotony nijery ireo fandaharanasan’ny Firenena Mikambana tanterahana any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara ireto iraka vahiny ireto, ka afaka nahita maso ny zava-misy. Raha tsiahivina, dia ny 5%-n’ny zaza any Atsimo ihany no mihinana sakafo « azo ekena », fa mbola tsy tonga lafatra. Araka izany, ho an’i Madagasikara dia fotoana iray ahafahana mandresy lahatra ireo mpiara-miombona antoka ny N4G, ny amin’ny fahavononantsika mbola hiroso hatrany ao anatin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo.
Fanamby ho an’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo
Nandritra ny fandalovan-dRtoa Afshan Khan sy Atoa Brieuc Pon teto amintsika, dia nisy ny atrikasa izay namaritana ireo fanamby hotanterahin’i Madagasikara, hanatsarana ny sehatry ny fanjariantsakafo hatramin’ny taona 2025. Nandray anjara tamin’izany ny « task force » nantsangan’ny Ofisim-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo (ONN), izay ivondronan’ny vovonana miisa 5 : dia ny vovonana HINA, ivondronan’ny firaisamonim-pirenena ; ny vovonana Anjaramasoandro ivondronan’ny sehatra tsy miankina ; ny vovonana Mikasa, ahitana ireo mpikaroka ; ny vovonan’ireo Parlemantera ; ary ny governemanta, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Isan’ny tanjona napetraka, ao anatin’izany fanamby izany, ny hampidinana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika ho 3% hatramin’ny taona 2030, raha 7,7% izany, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana (EDS) taona 2021. Tanjona ihany koa ny hampidinana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ho 25,9% hatramin’ny 2030, raha 39,8% izany, araka ny EDS-2021. Izany fanamby izany no isan’ny ahafahana mandresy lahatra ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika, hanohy ny fanohanana an’i Madagasikara mandritra ny N4G.
Tsy ho tratra anefa ny tanjona, raha tsy misy ihany koa ny fandrindrana asa eo amin’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara.



