Andrainjato Fianarantsoa - Ny Profesora Hajalalaina Aimé Richard no filohan'ny Oniversite vaovao
Ny 28 febroary lasa teo no nanatanterahana ny fifidianana ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Oniversiten'i Fianarantsoa. Ny Profesora Hajalalaina Aimé Richard no lany hitarika izany toeram-pampianarana ambony ao Matsiatra Ambony izany.
Ny Filoha, ireo Tale sy sojaben'ny ivo-toeram-pampianarana ary ny Écoles doctorales, ireo solontena roa ny personnels administratifs et techniques (PAT) ao amin'ny Conseil d'Administration(CA) no nohavaozina.
Ho an'ny filohan'ny Oniversite, 71,97% ny salan'isa naha-lany ny Hajalalaina Aimé Richard, Maître de Conférences, sady talen'ny Ecole de Management et d’innovation Technologique (EMIT) nanomboka ny taona 2016. 49 taona ny tenany izao mandray ny fitantanana ny Oniversiten'i Fianarantsoa.
Ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny
Ireto avy àry ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo anivon'ny Oniversite Andrainjato Fianarantsoa :
-Sojaben'ny Faculté des Sciences : Dr.RANDRIAMPARANY Joëlson, nahazo vato 22 tamin'ny mpifidy 34
-Talen'ny ENI : Pr MAHATODY Thomas, nahazo vato 13 tamin'ny mpifidy 13
-Talen'ny ENS : Dr. HDR RABEARISON Andry Hariniaina, nahazo vato 05 tamin'ny mpifidy 10. Noho i ny tenany manana grady ambony indrindra dia izy no lany manoloana ny vato mitovy azon'ireo roa mpifaninana
-Talen'ny EMIT : Dr HDR RAKOTONIRAINY Hasina Lalaina, nahazo vato 14 tamin'ny mpifidy 14
-Sojaben'ny Faculté des Lettres et Sciences Humaines : Pr.RASOAMAMPIONONA Clarisse, nahazo vato 8 tamin'ny mpifidy 8
-Sojaben'ny Faculté EGSS-MCI : Dr SOLONANDRIAMBOLOLONA Alaikoto Bernardhi, nahazo vato 10 tamin'ny mpifidy 18
-Sojaben'ny FDSP : Dr ANDRIAMITSIRIONY Mamy Hary Jean, nahazo vato 14 tamin'ny mpifidy 14
-Talen'ny ISST : Dr.RALAIBIA Boniface Erménégilde, nahazo vato 3 tamin'ny mpifidy 4
-Talen'ny ISTE : Dr.HDR RAZAFINDRAZANAKOLONA Andrinjafimanjato Daniel, nahazo vato 9 tamin'ny mpifidy 18
-Talen'ny École Doctorale GEOCHIMED : Pr.RABESIAKA Maholy Rivo, nahazo vato 9 tamin'ny mpifidy 16
-Talen'ny École Doctorale GOUVSOMU : Pr.RAZARANAINA Jean Claude, nahazo vato 20 tamin'ny mpifidy 23
-Talen'ny École Doctorale EDMI : Pr. RANIRIHARINOSY Karyl Danielsson
-Sojaben'ny Faculté de Médecine : Pr.ANDRIAMAMPIONONA Tsitohery Francine
-Solotenan'ny PAT ao amin'ny CA : RAKOTONIRINA Adamarilala sy RAKOTONIRINA Jean Robert