Finoana islamika : Voadika amin’ny fiteny malagasy ny boky Nahjul Balagha sy ny as-Sahifa as-Sajjâdiyya
Tamin-kafaliana sy hetsika lehibe no nandraisan’ireo mpino silamo ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny dikan-teny malagasin’ny boky Nahjul Balagha sy ny as-Sahifa as-Sajjâdiyya. Notanterahina, tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra, tetsy amin’ny Centell Hotel Antanimena, izany ny sabotsy lasa teo. Ireto boky ireto izay manokatra pejy vaovao eo amin’ny tantaran’ny literatiora sy finoana Islamika eto Madagasikara.
Boky mirakitra fahendrena sy fahalalana
Ahitana pejy 500 mahery tsirairay ireo boky ireo. Antom-pisiany ny hitory firaisan-kina sy fitambarana eo amin’ny samy mpino silamo. Boky manangona ny lahateny, tenin-tsindrimandry ary torolalana ara-panahy sy ara-pitondrana navelan’i Imam Ali, iray amin’ireo olo-malaza lehibe amin’ny tantaran’ny Islamo, izy ireo. Izy io dia loharanom-pahendrena ho an’ny taranaka rehetra, mirakitra fampianarana momba ny fiainana, fitondrana, finoana ary ny fifandraisana amin’ny hafa, indrindra ny fifanatonana eo amin’ny mpino silamo sy ny kristianina. Ao anatin’izany dia miresaka rariny, fitantanam-pirenena, fifehezana ara-panahy voarindra avy amin’ny hai-soratra arabo ny Nahjul Balagha ; raha mirakitra fanetren-tena, fanantenana, fahatsoram-po kosa ny as-Sahifa as-Sajjâdiyya.
Isan’ny mahazo tombony ny Malagasy silamo amin’ny fananana ireto dikan-teny malagasy ireto satria ho mora kokoa ny mandray ny lesona sy ny fampianarana ao anatiny. Firenena miisa 8, toy ny alemana, espagnola, frantsay, anglisy… no efa nanana ny dikan-tenin’ireo boky ireo amin’ny fiteniny. Araka izany, firenena voalohany aty Afrika manana dika amin’ny tenim-pireneny i Madagasikara.
Sheikh Aboumounir, izay mpanabe eo anivon’ny FCRA Antohomadinika no isan’ny malagasy sady mpino silamo, nandray anjara feno tamin’ny fandikàna amin’ny teny malagasy ny boky.
Natao ho an’ny mpino rehetra
Tsy natokana ho an’ny mpino silamo irery ihany ny fisian’ireo boky ireo fa afaka mamaky sy mandalina avokoa na ny kristianina aza. « Hamporisihina ny rehetra hamaky sy hifantoka amin’ireo boky ireo, indrindra ny tanora. Mampianatra zavatra maro toy ny fifankatiavana eo amin’ny samy olombelona izy mba hananana filaminana eto amin’izao tontolo izao. Tsy hoe fiantsoana ny olona hivadika ho silamo akory », hoy ireo mpanabe.
Miisa 1 000 ny boky natonta amin’izao fiantombohany izao ; hiezaka hanaparitaka izany manerana ny Nosy, kosa ireo mpino silamo.