• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Fapbm
Image
Vaovao

Fiarovana ny honko : Mandray anjara mavitrika ny vondron’olona ifotony manodidina ny reniranon’i Tsiribihina

10/03/2025 09:16 © Moov

Isan’ny rohivoary manan-danja eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny tohin’ny fiainan’ny olombelona ny ala honko. Isan’ny mahazo tombontsoa amin’io ireo olona manamorona ny reniranon’i Tsiribihina. Ho fiarovana azy araka izany dia miditra antsehatra ny vondron’olona ifotony manodidina ny renirano.

Fampiofanana momba ny fitaovana teknolojika

Polisin’ala any ifotony miisa 65 izay ahitana vehivavy iray no tena mavitrika amin’ny fanaraha-maso ity rohivoary tena ilaina ity. Nahazo fiofanana momba ny fampiasana ny fitaovam-pitsirihana SMART mobile izy ireo izay ahafahany miady amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Ny tanjon'izy ireo amin’izany dia ny fanaraha-maso, fiitaterana ny zava-misy ary fanoherana ny fandripahana ala sy ny famokarana saribao avy amin’ireo ala honko ireo. Izany dia vokatry ny Tetikasa GEF6-AMP sy ny fikambanana FIVOI.
Raha tsiahivina dia ankoatra ny ezaka efa nataon’ny fikambanana maro misehatra amin’ny tontolo iainana, toy ny WWF Madagascar ; ny tetikasa GEF6 – AMPs dia miompana amin’ny fampivondronana ny fitantanan’ny vondron’olona ifotony ny ala honko sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina manodidina ny Reniranon’i Tsiribihina, faritra Menabe. Izy io izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy ary tohanan’ny FAPBM.

Fanohanana ara-pihariana

Mba hanampiana sy hanamafisana ny fahafoizan-tenan’ireo mpiaro ny ala honko ireo dia niofana tamin’ny fiompiana tantely any anaty ala ihany koa ireto polisin’ala any ifotony ireto. Natao indrindra izany mba hanampiana ny fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina, indrindra ireo mpandray anjara mivantana amin’ny asa fiarovana.
Nanamarika ny FAPBM fa manambatra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ny toekarena ity asa fiarovana ny ala honko ity. Maneho ny fahalehibeazan’ny voka-tsoa ateraky ny fandraisan’ny vondron’olona ifotony anjara amin’ny fiarovana ny honko sy ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires