• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Unfpa
Image
Vaovao

Fampanajana ny zon’ny vehivavy : Firenena 1 amin’ny 4 no nahitana fihemorana, hoy ny Firenena Mikambana

10/03/2025 07:22 © Moov.Mg

Marihina amin’ity taona ity ny faha-30 taonan’ny Fanambaran’i Beijing, izay tondrozotra azo lazaina ho feno indrindra mikasika ny zon’ny vehivavy. Mifanandrify amin’izany tsingerin-taona izany, sy ao anatin’ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy, dia namoaka tatitra momba ireo dingana vita sy ireo ezaka mbola tokony hatao momba ny zon’ny vehivavy ny rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana misahana ny vehivavy (ONU Femmes).

Mbola maro no voahitsakitsaka ireo zon’ny vehivavy

Ireo teboka tsara ho fantatra momba ny zon’ny vehivavy, 30 taona taorin’i Beijing (Le point sur le droit des femmes, 30 ans après Beijing) no lohateny nampitondraina ity tatitra ity. Nisongadina tamin’izany fa tsy mitsaha-mitombo ireo tranga manambana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizivavy maneran-tany. Ao ireo fanilikilihana isan-karazany, ny faharefoan’ny fiarovana ny vehivavy araka ny lalàna, ny fihenan’ny famatsiam-bola atokana ho an’ireo fandaharanasa sy ireo rafitra miompana amin’ny fanohanana sy fiarovana ny vehivavy. Noho ireo, dia mihemotra ny fampanajana ny zon’ny vehivavy, raha ny hita any amin’ny firenena 1 amin’ny 4.

30 taona aty aorian’ny Fanambaran’i Beijing, dia firenena 87 isa ihany, no efa notantanan’ny vehivavy. Vehivavy 1 isaky ny 10 minitra maneran-tany no maty novonoin’ny olona miaraka aminy, na olona ao anatin’ny fianakaviany. Manaparitaka hevi-diso manimba ny vehivavy ny tontolo nomerika no sady vitsy kokoa ny vehivavy afaka misitraka ireo fanararaotra atolotr’izany tontolo nomerika izany. Tafakatra 50% ny isan’ny vehivavy miaina ao anatin’ny ady, tao anatin’ny 10 taona farany. Miaina herisetra, mety hitarika hatramin’ny famonoana ho faty, ireo mpiaro ny zon’ny vehivavy, amin’ny andavanandrom-piainany. Santionany amin’ireo ambana mampihemotra ny fampisitrahana ny vehivavy ireo zony, voatanisa ao anatin’ny tatitry ny « ONU Femmes » ireo.

Misy dingana tsara vita

Na izany aza anefa, dia azo lazaina fa betsaka ihany ireo dingana tsara vita, nanomboka ny taona 1995, ka nitondra fandrosoana teo amin’ny fampanajana ny zon’ny vehivavy. Efa azo lazaina ho mifandanja ny isan’ny ankizilahy sy ankizivavy misitraka fanabeazana, amin’ny ankapobeny. Nihena amin’ny ampahatelony ny taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana. Efa nitombo avo roa heny ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eny anivon’ny parlemanta. Mitohy ny fanafoanan’ireo firenena isan-tsokajiny, ireo lalàna manavakavaka ny vehivavy, ka lalàna 1.531 isa no namboarina na nofoanana maneran-tany, teo anelanelan’ny taona 1995 sy 2024.

Nisy lohahevitra sasany tsy tafiditra tao anatin’ny Fanambaran’i Beijing, ka nisy ny tondrozotra vaovao fanampiny, navoaka tao anatin’ity tatitra navoakan’ny ONU Femmes ity. Mahakasika lafin-javatra maro izany, toy ny fahafahan’ny vehivavy sy ny ankizivavy misitraka bebe kokoa ny teknôlôjia vaovao ; ny fahazoan’ny vehivavy fiarovana ara-tsôsialy feno kokoa, ka tafiditra ao anatin’izany ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana ho an’ny daholobe ; ny fametrahana lalàna isaky ny firenena, izay tena tokony hiantoka ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizivavy amin’ny herisetra ; ny fanomezana laharam-pahamehana ny vehivavy amin’ireo fomba ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro…

Nanamarika ny Firenena Mikambana, fa rehefa voahaja ireo zo tokony hositrahan’ny vehivavy, dia miroborobo kokoa ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ary ny toekaren’ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires