Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 3 hatramin'ny 9 marsa 2025
Araho indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 3 hatramin'ny alahady 9 marsa 2025
Ambohimangakely # Voasambotra ny lehilahy iray mpamaky fiara
Ny marainan'ny alakamisy 6 marsa lasa teo no voasambotry ny Brigade Ambohimangakely ny lehilahy 36 taona mpangalatra entana anaty fiara.
Ireo mpitondra fiara mandeha irery nefa manajanona fiara amin'ny sisin-dalana no tena kendreny. Mihevitra ny mpamily fa voahidy amin'ny lakile (verrouillage centralisé) ny fiara saingy efa manana tekinika izy tsy hampihidy ny varavarana. Miakanjo tsara ranamana sady mody miresaka amin'olona amin'ny finday. Marobe ireo toerana efa nanaovany ny asa ratsiny : Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Alasora, Ankadikely Ilafy, Anosizato, 67ha, Behenjy, Analakely, Ankadindramamy, Ampasapito, Nanisana, Mausolée, Andohatapenaka, Itaosy, Andoharanofotsy, Mahazo, Ampasapito, Anosy ary Mahamasina.
Ampasika # Lehilahy miisa 3 ahiahiana ho mpanendaka
Ny maraimben'ny 8 marsa lasa teo, lehilahy miisa 3 no voasambotry ny Polisin'ny FIP manao asa fisafoana. Nampiahiahy ny fihetsik'ireto andian-dehilahy ireto ka niroso tamin'ny fisavana ny Polisy. Hita tamin'izany ny antsy maranitra miisa 04 sy ody ratsy fitondràn’izy ireo. Tsy fantatra mazava ihany koa no sady samy manana ny filazàny izy ireo amin’ny anton-dian’ireto andian-dehilahy ireto mivoaka amin’ny alina rehefa nanontanian’ny Polisy ka nentina eo anivon'ny Komisaria Boriborintany fahaefatra mba ho atao fanadihadiana izy ireo.
Hentitra ny Polisy amin’ny fisavàna an’ireo mpivezivezy amin’ny alina hahafahana mametraka ny fandriam-pahalemana ho an’ny vahoaka.
Ivato # Nahatratrarana volamena 1,595 kilao teny amin'ny Seranampiaramanidina
Ny zoma 7 marsa lasa teo, nisy mpandeha teratany Indiana nikasa hanondrana volamena an-tsokosoko. Saika hihazo an'i Dubaï ranamana.
Rehefa nampiahiahy ny Fadintseranana nandritra ny fanaraha-maso fanaony ilay dia nentina nanao fitsirihina, ka hita tamin’ny scanner ny fonosan-javatra tany amin’ny faritry ny fitombenany. Nentina tany amin’ny toeram-pivoahana avy hatrany izy ka nasaina namoaka ireo fonosana izay miisa 4 izay nahitàna vovo-bolamena rehefa nosokafana avy. Natao toy ny "suppositoire" izany ny endrik'ireo fonosana ireo. Tazomina atao fanadihadihana moa ilay mpandeha, raha nalefa eny amin'ny Banky Foibe ny volamena nogiazana.
Tribonaly Anosy # Niakatra fitsarana ny raharaha nahafaty ny Rasazy Narindra
Ny Zoma 7 marsa lasa teo no niakatra fampanoavana ireo voasambotra tamin'ny fitifirana ny Ben'ny tanàn'i Mangataboahangy, Rasazy Narindra. Miisa 17 ireo voarohirohy nidoboka am-ponja, ka eny Tsiafahy ny lehilahy ary eny Antanimora ny vehivavy. Voalaza fa anisan'ireo nidoboka eny Tsiafahy i Tsitohaina, anadahin'ny Rasazy Narindra.
Ny harivan'ny sabotsy 8 marsa, niangavy ny hanaovana fanadihadihana lalina ny fianakavian'i Rasazy Narindra. Nanamafy moa ny reniny fa tsy misy idiran'io anadahiny io mihitsy ny famonoana ny maty. Andrasana araka izany izay mety ho tohin'ny raharaha, arakaraka ny fandaharam-potoana napetraky ny Fitsarana mahefa.
Toamasina I # Tovolahy iray maty voatsatok'antsy
Tovolahy vao erotrerony no namoy ny ainy noho ny tsy fandriam-pahalemana tao Toamasina. Nisy nanendaka i Tahiana Randriamahefa ny alin'ny talata 4 marsa, ka nitsatoka antsy avy hatrany ireo roalahy olon-dratsy. Nisy "Caméra de surveillance" teo amin'ny toerana nahalavoan'i Tahiana, ka hita teo ny namonoana azy. Tsatok'antsy 3 no nahafaty azy, na dia mbola afaka nitsangana nanavotr'aina ihany aza ny tenany.
Ny alarobia 6 marsa dia nivondrona ireo mpitandro filaminana sy tompon'andraikitra ambony tao Toamasina, mba hanatratrarana ny mpanao ratsy sy hampandriana fahalemana ny ao an-toerana. Maro ireo fepetra noraisina, ka anisan'izany ny fisavana ny karapanondro na andro na alina. Hatreto aloha, olona 3 no voasambotra mikasika ny raharaha nahafaty an'i Tahiana Randriamahefa.
Toamasina II # Fampiofanana ara-pamokarana
Notanterahina ny 3 martsa lasa teo tao amin’ny EFTA Analamalotra, Toamasina II, ny lanonana famoahana amin’ny fomba ofisialy ny mpiofana andiany faha-5 nahazo ny Brevet de Technicien Supérieur Agricole (DTSA), mitondra ny anarana SANDRATRA. Teknisiana Ambony miisa 23, ka 7 amin’izy ireo no vehivavy, no nahazo ny mari-pahaizana taorian’ny fiofanana naharitra roa taona.
Tanjona amin’izao dingana vita izao ny hanomezana fahaleovan-tena ara-pamokarana ho an’ireo tanora, mba ho lasa mpandraharaha ara-pamokarana afaka mampihatra sy mampivelatra ireo teknika manaraka ny fenitra ary mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny sehatra ambanivohitra.
Tafiditra tanteraka amin’ny politika nasionaly amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy fiompiana izao fanofanana izao.
Mahajanga # Fampiofanana sy fanohanana ireo vehivavy mpandraharaha
Tanora vehivavy miisa 2500 no nahazo traikefa ary tanaty haravoana sy firaisankina tokoa no niarahan'izy ireo nanaraka ny fiofanana nandritra ny telo andro teto amin'ny Complexe Sportif Mahajanga. Formation intensive no natao, nantsoina hoe "Bootcamp & Hackhaton", nentina nanamafisana ny fahaiza-mitarika, fahatokisan-tena ary fahaizana ara-pandraharahana sy teknolojia.
Nisy mpandraharaha miisa 5 nahazo tohana 5 000 000 ariary avy, avy amin'ny vadin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Avy amin'ny faritra samihafa manerana ny Nosy moa izy ireo : Tania (SAVA) Menaka Moringa, Henintsoa (Analamanga) "Jeu de société" Vita Malagasy, Ambinintsoa (Analamanga) "Eco Coco" (Briquettes vita avy amin’ny "noix de coco"), Prisca (Atsimo Andrefana) "Gas’Tsika" Fanodinana fako ara-tsakafo, Brigitte Eco Bliss, serviette hygiénique en bambou.
Mahajanga # Fankalazana ny andro iraisampirenena ho an'ny zon'ny vehivavy
Nafana tao Mahajanga tamin'iny herinandro lasa iny. Marobe mantsy ireo hetsika nentina nanamarihana ny 8 marsa. Tafiditra tao anatin'izany ny fanadiovana ny teny amoron-dranomasina sy ny fanavaozana ireo fotodrafitr'asa teny an-toerana. Nisy ihany koa ny fambolena honko, mba hitazomana hatrany ny ala honko ao amin'ny faritra Boeny. Tsy adino ny Caravane Médicale, izay nahafahan'ny vehivavy sy ny ankizy nisitraka fitsaboana maimaimpoana. Ny vadin'ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina moa no nitarika ireo hetsika rehetra tany Mahajanga nandritra ny 3 andro.
Boeny # Fizarana fampitaovana ho an'ireo mpanjono
Distrika Efatra ao anatin'ny Faritra Boeny no nisitraka fampitaovana maro avy amin'ny Ministeran'ny ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin'ny alalan'ny tamberimbidy amin'ny fifanarahana ara-panjonoana miaraka amin'ny Vondrona Eropeanina. Anisan'izany ny Distrikan'ny Soalala, Mitsinjo, Mahajanga I, II.
Fitaovana ahitana lakana en fibre de verre miisa 5 izay miaro tanteraka ny tontolo iainana miaraka amin'ny Moteur 9cheveau miisa 5 izay anisan'ireo hanaovana ny resaka Jono Madinika , kits de palangre 20 , multi filament 20, sns. Fitaovana manaraka ny fenitra tanteraka no nomena azy ireo entina hanatsarana ny asa fihariany eny an-dranomasina , hiadiana ihany koa amin'ny Tsy fanjarian-tsakafo satria manampy amin'ny fahafahana maka sy manampy ireo ny vokatra alaina an-davanandro.
Diana # Fizarana karatra mpanjono tao Antsiranana I
Tontosa ny voalohan'ny volana marsa lasa teo ny fizarana karatra mpanjono sy fitaovana enti-manjono ho an'ireo mpanjono monina ao Cap Diego. Mpanjono miisa 65 no nahazo tombotsoa, izay mivondrona ao amin'ny Fikambanan'ny PCD na "Pêcheurs Cap Diego", ny FMM na Fikambanan'ny Mahavonjy Miray, ary ny FIMPAMIMY na Fikambanan'ny Mpanjono Miray.
Nahazono salotraina miisa 65, kitapo miisa 58, ary "condors" miisa 18, ireo mpanjono. Miisa 11 ny karatra maha mpanjono nozaraina hoan'ny Fikambanana PCD. Izany no natao mba hiarovana ny ain'ireo mpanjono rehefa miandriaka sy ahamatihanina azy ireo eo amin'ny sehatry ny fanjonoana
Sava # Efa hita eny an-tsena ny vary mora
Efa ahitana ilay vary amidy amin'ny vidiny 750 Ar/Kapoaka ny ao amin'ny Faritra SAVA. Misy mpaninjara miisa 18 ao Sambava raha 4 kosa any Antalaha. Nanara-maso akaiky ny fanaparihana io vary io ny avy amin'ny faritra SAVA ka nisy be midina nataon'ny Atoa Governora Teddy Gervais Seramila, niaraka tamin'ny Atoa Adonis Jacques izay Dir Cab Vpan Antsiranana sy ny avy amin'ny fitalevam-paritry ny Indostria sy ny Varotra tany an-toerana.
Faly ny vahoaka satria manamaivana ny fahasahiranan'izy ireo ity vary ity izay lazain'izy ireo fa tena tsara kalitao. Tsy ho ela dia aparitaka hatrany ambanivohitry ny faritra ny vary mora, hoy ireo avy ao amin'ny fitalevam-paritry ny Indostria sy ny varotra.