• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Seranampiaramanidina Ivato : Volamena 1,595 kg nafenina tany amin’ny fitombenana

07/03/2025 18:49 © Moov

Mpandeha iray saika nihazo an’i Dubaï no nahatratrarana volamena nasitrika tany amin’ny lava-pitombenana, androany 7 marsa 2025.

Tsy mitsahatra mitady hevitra ireo mpanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena mba tsy hahatratrarana ny zava-tsarobidy afenin’izy ireo. Tsy vao voalohany no nisy olona nanafina volamena tany amin’ny lava-pitombenana toy izao.

Mpandeha saika ho any Dubai

Tanora lehilahy vao erotrerony, teratany indiana, no tratra nitondra volamena milanja 1,595 kg. Natao miendrika "suppositoire" ny vovo-bolamena voafono tsara. Nikasa hihazo an'i Dubaï tamin'ny sidina ET n°852 ranamana.
Rehefa nampiahiahy ny Fadintseranana nandritra ny fanaraha-maso fanaony ilay lehilahy dia nentina nanao fitsirihana. Hita tamin’ny scanner ny fonosan-javatra tany amin’ny faritry ny fitombenany.
Nentina tany amin’ny toeram-pivoahana avy hatrany ilay mpandeha ka nasaina namoaka ireo fonosana izay miisa 4 izay nahitàna vovo-bolamena rehefa nosokafana avy.
Mitohy ny fanadihadiana hamantarana ny antsipirihan’ity tranga ity. Ho fantarina amin'izay izay naniraka na miara-miasa amin'ity lehilahy tra-tehaka ity. Araka ny lalàna manankery, alefa any amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara io vovo-bolamena tratran'ny Fadintseranana androany io.

Lire la suite

Articles Similaires