• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Météo Madagascar
Image
Vaovao

Toetr’andro : Mitohy manambana ny ilany avaratra atsinanana ilay rivodoza

07/03/2025 16:38 © Moov

Hanohy ny diany hiakandrefana somary Atsimo Andrefana ilay andro ratsy arahi-maso ao atsinanan’ny faritra Diana, raha ny tombatombana. Vinavinaina hiditra antanety eo anelanelan’i Antsiranana sy Antalaha ihany koa izy rahampitso vao maraina. Tamin’ny 09 ora maraina teo dia any amin’ny 620 Km atsinanan’i Antsiranana no nisy ny foibeny.

Ho betsaka ny rotsak’orana miaraka aminy

Hitondra ny anarana Ivone ity rivodoza ity rehefa feno ny fepetra hanomezana izany. Amin’izao fotoana izao dia mbola mitohy hatrany ny tombana amin’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana. Hahatratra 80 hatramin’ny 150mm izany haavon’ny rotsak’orana izany ao anatin’ny 24 ora, manomboka anio hariva. Noho ny fisian’io andro ratsy io dia hisy fiatraikany amin’ny faritra Diana, Sava, Sofia, Analanjirofo, Atsinanana ary Alaotra Mangoro izany. Ahiana ny mety hisian’ny tondra-drano.
Fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano ho an’ny reniranon’i Mahavavy Nord (Distrika Ambilobe), Irodo (Distrika Antsiranana II), Fanambana (Distrika Vohimarina), Bemarivo, Lokoho (Distrika Sambava), Antainambalana(Distrika Maroantsetra) sy ireo mponina amin’ny faritra mora tondraka.
Etsy ankilany dia fampitandremana miloko maitso amin’ny fiakaran’ny rano ho an’i Mananara (Distrika Mananara), Soamianona (Distrika Soanierana-Ivongo), Maningory (Distrika Vavantenina sy Fenoarivo Atsinanana), Loza (Distrika Analalava) ary Sofia (Distrika Port Berger).

Hahery ny ranomasina

Mbola vokatr’io andro ratsy io hatrany dia hisy fikorontanana ihany koa ny ranomasina. Mety hahery be izy mandritra izany. Mety hiakatra 3.5m hatramin’ny 4.5 metatra ny haavony. Araka izany, ireo mpiandriaka no tena hampitandremana amin’izany. Filazana miloko mena, eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy Mahanoro. Miloko mavo ny eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy ny Mahajanga ary miloko maitso kosa ny eo anelanelan’i Mahajanga sy Maintirano. Mety hiteraka faharendrehana an-dranomasina sy fahasarotan'ny fifamoivoizana izy io ka tsy tokony hidina an-dranomasina intsony ireo mpiandriaka. Mitoetra avokoa ireo fanairana ireo manomboka anio zoma 07 Marsa hatramin’ny alahady izao.

Lire la suite

Articles Similaires