• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Goverinora Bongolava
Image
Vaovao

Hetsika fizarana kopia maimaimpoana : Olona 8.000 isa no hisitraka izany any amin’ny Faritra Bongolava

07/03/2025 15:11 © Moov.Mg

Ankizy malagasy maro no mbola tsy misitraka ny zony hanana kopian’ny sora-piankohonana. Miezaka manarina izany ny Faritra Bongolava, ka olona mihoatra ny 8.000 isa no homena izany maimaimpoana, hatramin’ny volana aogositra 2025.

Kopia ho an’ireo zaza mihoatra ny 30 andro

Manomboka amin’ity volana martsa ity ny fizarana kopian’ny sora-piankohonana faobe, karakarain'ny Faritra Bongolava, ka ireo ireo zaza mihoatra ny 30 andro, hatramin'ny zatovo 17 taona izay mbola tsy manana izany, no voakasiky ny hetsika. Miara-miasa amin’izany ny prefektioran’i Tsiroanomandidy, ny ministeran'ny Atitany, ny ministeran’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy, ny Fikambanana Koloaina ary ny Vaomieran'ny Rariny sy ny Fiadanana eo anivon’ny fiagonana katôlika ao Tsiroanomandidy. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny tany mampiasa ny frantsay (OIF) kosa no mamatsy vola izao hetsika izao.

Tao amin'ny Kaominina ambanivohitra Ambalanirana no efa nanombohana izany fanamboarana Sora-piankohonana maimaim-poana izany, ary kaominina 10 no hisitraka izany amin'ity andiany voalohany ity. Isan’izany ny Kaominina Ankadinondry, Firavahana, Marotampona, Tsiroanomandidy ville… Afaka misoratra anarana eny amin'ny Fokontany sy ny Kaominina ireo olona maniry ny hisitraka kopia maimaim-poana.

Zo fototry ny ankizy

Tsiahivina fa zo fototra, iankinan’ny zo hafa maro, ny fananana kopia nahaterahana. Raha ny lalàna dia manana 30 andro aorian'ny nahaterahana ny ray aman-dreny, hanao ny fanambaram-pahaterahan'ny zaza eny amin'ny Kaominina. Manan-danja be izany fanoratana ny zaza vao teraka izany, satria hahafan’ny ankizy misitraka ireo zo maha-olona azy rehetra, toy ny fidirana an-tsekoly, ny fanaovana fanadinam-panjakana, ny fananana karapanondrom-pirenena, ny fidirana miasa amin’ny orinasa, na fananganana orinasa ara-dalàna, ny fahafahana misora-panambadiana ara-dalàna…

Na dila aza ny 30 andro taorian’ny nahaterahan’ny zaza, dia mbola azo atao foana ny manoratra azy ara-panjakana. Afaka manatona ny kaominina, manontany ny antsipirihan’izay tokony atao amin’izany, fa tsy voatery miandry hetsika fizarana kopia faobe.

Lire la suite

Articles Similaires