Sambo fitsaboana Mercy Ships: Hanomboka ny 10 marsa izao ny fandraisana an-tanana
Efa tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara, tamin’ny volana febroary teo ny sambo fitsaboana Mercy Ships rehefa niala sasatra kely hatramin’ny volana desambra. Feno tanteraka ny fepetra hahafahan'ireo mpitsabo manomboka ny fandraisana ireo marary. Nisy ny fampahafantarana izany tamin'ireo tompon'andraikitra tao Toamasina, omaly.
Handidy olona maherin’ny 1 300
Haharitra 10 volana no hijanon’io sambo fitsaboana io eto Madagasikara amin’ity 2025 ity. Raha ny fanamarihana dia ny alatsinainy 10 marsa izao no hanombohana ny fandraisana an-tanana ireo marary ao anatin’ny sambo. Raha tsiahivina dia aretina maro no ho tsaboina ao. Isan’izany ny simba sy ny vaky lanilany, ireo manana olana amin’ny taolana sy ny hozatra. Isan’izany ihany koa ireo manana olana amin’ny fahitana dia ahitana fitsaboana maso ihany koa, araka izany ao an-toerana. Raha ny vina amin’ity taona 2025 ity fandidina mihoatra ny 1 300 isa no ho raisina. Etsy ankilany dia hisy fitsaboana nify manodidina ny 1 400 isa ho an'ireo marary efa raisina sy ireo mpiasa Malagasy ao amin'ny sambo ihany koa.
Etsy andaniny dia hitohy hatrany ny fanamafisam-pahaizana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana malagasy. Natao izany mba hanatsarana hatrany ny tontolon'ny fitsabona eto Madagasikara.
Fandidiana hatramin’ny 11 000
Fandidina efa maherin'ny 11 000 isa no notanterahin’ity sambo fitsaboana lehibe ity teto Madagasikara, hatramin’ny taona 1996 nandehanany voalohany taty. Tsy adino ny fitsabona nify mihoatra ny 65 000 isa ary fampiofanana mpiasan'ny fahasalamana miisa 2 500 mahery no efa vita tao anatin’izany fotoana izany. Raha tsiahivina dia ny taona 2016 no niasa farany teto Madagasikara izy ireo.
Efa fantatra ireo mpisitraka tombontsoa amin’ity iraka manaraka ity. Faritra hatramin’ny 12 no nahafahana nifantina ireo marary ireo, hoy ny fanazavana. Marihina fa maimaimpoana avokoa ny fitsaboana rehetra hotanterahina ao anatin’ity sambo ity.



