• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Fadintseranana Toamasina : Fampahatsiahivana mikasika ny famoahana "Véhicules d'occasion"

05/03/2025 09:17 © Moov

Marobe ireo fanontaniana voaray mikasika ny fahasarotan'ny famoahana fiara eny amin'ny Fadintseranana. Tsara izany raha mahafantatra toro vitsivitsy mikasika izany.

Tsara aloha ny manamarika fa tsy natao ho an'ny olon-tsotra ny fanafarana fiara, na vaovao na efa niasa. Ireo "commissionnaires agréés" en Douanes sy "transitaires" ihany no afaka mikarakara ireo dingana famoahana fiara eny anivon'ny Fadintseranana. Raha misy olon-tsotra te hanafatra fiara izany dia mila manantona "transitaire".
Ho an'ny fanafarana sy famoahana fiara efa niasa tany ivelany, ireto no dingana arahina :

Dingana voalohany

Apetraka ao amin'ny "GasyNet" ny fangatahana fanamarinana "Contrôle d'Identification des Véhicules Importés". Ampiarahana amin'ny antontan-taratasin'ny fiara (toy ny carte grise) izany fangatahana izany. Ilaina ihany koa ny NIF/STAT-n'ny mpanafatra.
Izany dingana izany no hahafantarana ny tombambidin’ny fiara araka ny "Argus Automobile", izay mamaritra ny vidin’ny fiara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ity tombam-bidy ity, fa tsy ny vidiny misoratra amin’ny taratasy nividianana azy, no hamaritan’ny Fadintseranana ireo « quotités »-n’ny haba aloa.Eo ho eo amin'ny 3 andro moa no mivaly ny fangatahana.
Mba hanomanana mialoha ny fandaniana rehetra, azo atao tsara ny mampiasa ny application https://etariff.douanes.gov.mg, izay hahafahana manao kajikajy.

Dingana faharoa sy fahatelo

Raketina eny anivon’ny biraon’ny Fadintseranana amin’ny fanaovana ny Document Administratif Unique (DAU) ny fanambarana fanafarana (déclaration d’importation), ka ampiarahana amin'ireo antontan-taratasy takiany.
Miroso amin’ny fandoavana ny haba amin’ny fanafarana sy ny sarany ho an’i GasyNet ary ny fakàna ny fiara ny mpanafatra avy eo. 40 euros isaky ny fiara moa no aloha amin'ny GasyNet. Rehefa ara-dalàna ny taratasy rehetra dia azo avoaka ny fiara.
Tsara ny manamarika fa ny tahan’ny haba alain’ny Fadintseranana amin’ny entana dia voafaritra mazava ao amin’ny Tarif des Douanes https://www.douanes.gov.mg/.../01/TARIF-DES-DOUANES-2025.pdf. Manomboka amin’ny 0% ka hatramin’ny 20% izany, arakaraka ny karazan’ny entana nafarana sy tiana havoaka.

Fiara atao lavanty

Marobe ireo fiara lasa ataon'ny Fadintseranana Lavanty noho ny antony maro. Matetika aloha dia ny tsy fanajana ny fitsipiky ny fampidirana fiara eto Madagasikara no antony. Misy izany ireo mpanafatra mampiditra fiara efa niasa tsy tokony hiditra eto Madagasikara mihitsy. Tafiditra ao anatin'izany ohatra ny fiara "volant à droite", ny fiara fitaterana olona mihoatra ny 10 taona ary ny fiara fitaterana entana mihoatra ny 15 taona. Misy ihany koa ireo mpanafatra tsy mahaloa ny Droit de Douanes. Misy fe-potoana voafetra ny fandoavana ny haba aloa sy ny fanatanterahana ny dingana rehetra. Mbola voafetra ihany koa ny fitazoman'ny Fadintseranana ny fiara ao amin'ny Seranantsambon'i Toamasina.

Lire la suite

Articles Similaires