• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Jovena
Image
Vaovao

Vidin-tsolika : Niakatra ny Gasoil, mety hiakatra ny saran-dalana

05/03/2025 08:38 © Moov

Nahitana fidinany 180 ariary isaky ny litatra ny Essence. Niakatra 80 ariary isaky ny litatra kosa ny Gasoil, raha 200 ariary ny fiakarana ho an'ny Pétrole.

Fanahiana fiakaran'ny saran-dalana

1,63% ny fiakaran'ny vidin'ny Gasoil. 80 Ariary ny elanelam-bidy, ka 4 890 ariary/l ny vidiny nasiam-panitsiana raha 4 970 ariary/l izany teo aloha. Io karazan-tsolika io nefa no ampiasain'ireo fiara lehibe rehetra, ka anisan'izany ireo fiara fitateram-bahoaka. Mety tsy hikitika ny saran-dalana aloha ireo mpitatitra miasa eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, saingy ahiana hampiakatra izany kosa ireo mpitatitra amin'ny zotra rezionaly sy nasionaly. Andrasana araka izany ny fanapahan-kevitr'ireo mpitatitra rehetra.
Manaraka ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena izany no ivarotana ny solika eto Madagasikara. Efa hatramin'ny fiandohan'ity taona ity no nanambara ireo tompon'andraikitra fa mila mizatra fanitsiana sy fiovaovana io isika eto Madagasikara. Tsara ny manamarika fa tsy mihoatra ny 200 ariary ny fampiakarana na fampidinana ny vidin-tsolika rehefa misy ny fanamboarana ny vidiny.

Fiovana isam-bolana

Anisan'ny fepetra takian'ny Fonds Monétaire International (FMI) amin'ny fanomezana fampindramam-bola ho an'i Madagasikara ny "Mécanisme d'Ajustement Automatique des Prix". Tsiahivina fa misitraka "Facilité Elargie de Crédit" na FEC sy ny "Fonds pour la Résilience et la Durabilité " na FRD i Madagasikara. Vao tamin'ny herinandro lasa iny no nambara ofisialy ny fanapahan-kevitra avy amin'ny FMI ka, nahazoana vola mitentina 103 tapitrisa Dolara, hanohanana ireo tetikasa Fampandrosoana an'i Masagasikara. Anisany misitraka an’io fanohanana ara-tetibola io (aide budgétaire) ny sehatry ny angovo akoranafo.

Tsara marihina fa 30 andro hatramin'ny 40 andro ny faharetan'ny fitaterana amin’ny sambo, ny solika hafarana mandra-pahatongavany eto amintsika. Ny fiovaovan'ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena dia manaraka izay sandany mialoha ny daty nanafarana, sy niondranan'ny solika an-tsambo.


Copyright Image : © MEH

Lire la suite

Articles Similaires