• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Fondation Franklinia
Image
Vaovao

Zavamaniry mitady ho lany tamingana : Mila fiarovana maika ny dimakala

04/03/2025 16:44 © Moov.Mg

Zavamaniry tsy fahita raha tsy any amin’ny Faritra Sofia ny dimakala, antsoina ihany koa hoe : bilambagna, na ihany koa « Tahina Spectabilis », ho an’ny anarany siantifika. Efa zara raha ahitana azy anefa sisa, na any amin’io Faritra io aza, ka nanapa-kevitra ny tomponandraikitry ny Faritra, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka, ny hiaro manokana ity zavamaniry ity.

Dimakala, zavamaniry mahatalanjona

Karazan-javamaniry tena mila fiarovana maika ny dimakala. Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo karazan-jazamananaina ahiana mafy ny ho lany tamingana, an’ny fikambanana maneran-tany ho an'ny fiarovana ny natiora (UICN), ity zavamaniry ity. Latsaky ny 40 isa mantsy sisa ny karazany efa lehibe, hita sy fantatra fa maniry any anaty natiora, ary misy karazany vitsivitsy, nambolena manokana, miparitaka manerana izao tontolo izao.

Zavamaniry tena mahatalanjona anefa ny dimakala. Mety hahatratra 18 metatra ny haavony ary mivelatra mety hahatratra hatramin’ny 5 metatra ny raviny. Mety maharitra 50 hatramin’ny 90 taona ny fahavelomany, saingy indray mandeha ihany izy no mamoa, ka mamoaka voany manodidina 20 000 hatramin’ny 30 000 isa izy amin’izany. Ny iray amin’ireo voany ihany no mitsiry, ary maty avy ny reniny, 9 volana aorian’ny namoahany voa. Izany no antony mahamora lany tamingana ny dimakala ary tena maha-zava-dehibe ny fiarovana azy.

Ady amin’ny fandripahana ala

Amin’izao fotoana izao dia ao amin’ny Distrikan’Analalava ihany sisa no ahitana ny dimakala, araka ny fanazavan’ny Jeneraly Lylison René de Rolland, goverinoran’ny Faritra Sofia. Mba hametrahana paikady ho fiarovana ity zavamaniry ity, dia nisy ny fihaonana, teo amin’ity tomponandraiki-panjakana ity sy ny avy eo anivon’ny Kew Royal Botanic Gardens, izay miara-miasa amin’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao Sofia. Nivoitra tamin’izany, fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ahafahana miaro ny dimakala. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanohanana amin’ny ady atao amin’ny doro tanety sy amin’ny famotehana ny ala, mba hahafahana mitahiry ireo karazan-javaboaary mampiavaka ny faritra Sofia. Araka izany, dia hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasan’ny mpitondra Fanjakana eny ifotony amin’ireo mpiara-miombona antoka, mba tsy hahalany tamingana ny dimakala.

Lire la suite

Articles Similaires