• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : Faritra 8 eto Madagasikara, hanatanterahana fizarana vitaminina A

04/03/2025 16:01 © Moov.Mg

Isan’ny mitarika tsifanjariantsakafo ny tsy fahampian’ireo singa ilain’ny vatana. Isan’izany ny vitaminina A, izay tena manan-danja lehibe amin’ny fahasalaman’ny zaza. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny fa nomezana Vitaminina A in-droa isan-taona, ho an’ny zaza 6 hatamin’ny 59 volana. Faritra miisa 8 no hanatanterahana hetsika mifandraika amin’izany, amin’ity volana martsa ity.

Vitaminina A, manan-danja ho an’ny fahasalamana

Ny 11 hatramin’ny 14 martsa 2025 no hanatanterahana ny hetsika fizarana vitaminina A faobe, amin’ny Faritra 8 eto Madagasikara, dia ny any DIANA, SAVA, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky, Ihorombe ary Menabe. Ireo zaza tsy mbola nihinana izany, tao anatin'ny 6 volana farany, izany hoe : teo anelanelan’ny volana septambra 2024 sy febroary 2025, no hisitraka izany, mba hahafeno ny filàn'izy ireo, araka ny fanazavan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hanatrarana ny 80%-n'ny isan'ireo zaza tokony hahazo vitaminina A, fara-fahakeliny.

Nanamarika ny eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa efa zaraina ho an'ny zaza 6 hatramin’ny 59 volana, eny amin'ny tobim-pahasalamana, amin’ny andavanandro, ny Vitaminina A.

Mitarika fahajambana

Ny fikambanana iraisam-pirenena Helen Keller International no manohana ity hetsika ity. Ity fikambanana ity moa, izay nanokatra ny biraony teto Madagasikara tamin’ny taona 2023, dia miady amin’ny tsy fahampian’ny Vitaminina A, indrindra eo amin’ireo zaza latsaky ny 5 taona.

Mitarika aretina isan-karazany tokoa mantsy ny tsy fahampian’io vitaminina io. Ny loza indrindra amin’izany dia ny fahajambana. Tokony ho azo avy amin’ny sakafo hanina amin’ny andavanandro ny vitaminina A, raha tena voahaja ny fihinanana sakafo maroloko sy miovaova. Isan’ny ahitana ity karazana vitaminina ity ao anatin’ny karaoty, zavoka, goavy, tapotsin’atody, atin-kena sy ny vokatra avy amin’ny ronono.

Lire la suite

Articles Similaires