Taombaovao Malagasy : Ny alahady 30 marsa 2025 ny Alahamadibe
Amin'ny 30 marsa ho avy izao ny Taombaovao Malagasy 2025. Ny sabotsy 29 marsa izany no hanatanterahana ny arendrina sy "réveillon" hiandrasana ny taona vaovao.
Fanisana andro
Ara-tantara dia niovaova be ihany ny fanisana andro mikasika ny Taombaovao Malagasy.
Tamin'ny fotoana nanjakan-dRadama I, teo anelanelan'ny taona 1810 sy 1828, no nisy ny Alimanaka voalohany. Bokikely nirakitra ny tetiandro nandritra ny taona izy io. Nisy ny fanitsiana natao tamin'ny andron'ny mpanjaka Radama II (1828-1863), ho an'ny Fanjakana Merina. Mbola nanova ny tetiandro indray ny mpanjaka Ranavalona III, ka nataony Taombaovao Malagasy ny andro nahaterahany, dia ny 22 novambra. Efa tafiditra tanteraka teto Madagasikara rahateo ny fivavahana kristiana ka somary nihen-danja ny resaka fanandroana. Tsy nampiasaina intsony rahateo ny voambolana hoe "Alahamadibe", satria toa mifandray amin'ny fanompoan-tsampy izany. "Asaramanitra" no niantsoana ny Taombaovao Malagasy.
Tamin'ny andron'ny fanjanahantany dia nenjehin'ireo Frantsay ireo Malagasy mbola nankalaza ny Asaramanitra. Noho izany, ny taombaovao gregoriana ihany sisa no nomen-danja. Efa taorian'ny taona 2000 indray vao niha-nalaza indray ny resaka Taombaovao Malagasy, ka ireo taranaky ny Mpanjaka amin'ireo vohitra malaza ao amin'ny Fanjakan'Imerina no mpikarakara. Ny fanisana andro tandrefana no ampiasaina, ka volana marsa na aprily no hankalazana ny taombaovao Malagasy. Marihana nefa fa samy manana ny fomba fanisany ireo vohitra tsirairay. Raha amin'ny fanisana mahazatra dia tsiahivina fa ny 21 marsa hatramin'ny 20 aprily no faritana hoe Alahamady na "Belier". Mifanojo hatrany amin'ny faran'ny Ramadan (30 marsa amin'ity 2025 ity) kosa ny Alahamadin'Anosimanjaka (Zana-dRanavalona) sy Ambohimanga (Zanak'Andrianampoinimerina). Ho an'Ambohidrabidy (Zana-dRalambo), somary aloha ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy isan-taona.
Fankalazana isam-bohitra
Marobe ireo manasokajy ny Taombaovao Malagasy ho fetin'ny Merina irery ihany. Amin'ity taona ity, omen-danja ny rehetra manerana ny Nosy, ka eny Ankazomalaza Ambohimanga no hanaovana ny fankalazana ofisialy. Io doany io mantsy no toerana nampiraisan'Andrianampoinimerina ny foko Merina sy Sakalava. Tsy anavahana foko na firazanana ireo hetsika rehetra ho tanterahina mandritra ny telo andro.
Manomboka ny sabotsy 29 marsa ny fetin'ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Ny takariva ny arendrina, sady fizarana ny afo tsy maty. Ny alahady 30 marsa, andron'ny taombaovao kosa, hisy ny fitokanana ny Lapan'Andrianampoinimerina. Fankalazana ara-drazana no tena hibahana mandritra io andron'ny Alahamadibe io. Mbola hitohy ny alatsinainy 30 marsa kosa ny lanonana, ka hisy ny fitokanana ara-panjakana ny Lapan'Andrianampoinimerina.
Hankalaza ny Taombaovao Malagasy ihany koa ny eny Anosimanjaka, ka telo andro ihany koa ny fankalazana (29 hatramin'ny 31 marsa). Azo atao tsara izany ny mamonjy izay vohitra akaiky ny tsirairay, mba hanandratana indray ireo fomba malagasy mitady ho adinodino.