Mety ho fiforonana rivo-doza : Misy tangoron-drahona arahi-maso ao Avaratra-Atsinanan’i Madagasikara
Misy faritra andro ratsy arahi-maso ao amin’ny ilany Avaratra Atsinanan’i Madagasikara, raha ny vinavina farany an’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro. Amin’izao fotoana izao dia mbola tsy mazava izay mety ho lalany saingy manamafy ny mpamantatra ny toetr’andro fa mety hivadika ho rivo-doza izany any amin’ny faran’ny herinandro any.
Mety hivadika rivo-doza
Mbola any atsimon’ny Nosy maromaro Chagos amin'izao fotoana izao no misy ity tangoron-drahona ity, azo lazaina ho miankandrefana anefa ny lalany raha ny fanazavana. Izany hoe mety hihazao an’i Madagasikara. « Manara-maso akaiky ireo andian-drahona ireo izahay. Any amin’ny tapaky ny herinandro na zoma any ho any no mety hazava kokoa ny lalany. Tokony arahina hatrany vaovao ny amin’ny mety ho fiovaovany », hoy ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro. Eo ho eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 30% eo io mety ho fiforonana rivo-doza tropikaly io manomboka ny alarobia 5 martsa. Hiakatra 30 hatramin’ny 60% kosa izany manomboka ny zoma 7 martsa, hoy ny Météo France, La Réunion.
Ankoatra izay dia misy faritra andro ratsy hatahorana hiforona ihany koa any La Réunion. Samy arahi-maso avokoa ireo roa ireo hahafantarana ny tena lalany.
Fampatsiahivana: hahery ny rivo-doza
Hatramin’ny nanombohan’ny vanimpotoan’ny rivo-doza 2024-2025 dia tsy i Dikeledi ihany no namely an’i Madagasikara. Nahafatesana olona 3 sy traboina aman’arivony izy io ny volana janoary teo. Raha tsiahivina dia efa nampahafantatra mialoha ireo mpikaroka fa ho mafimafy ny vanim-potoan’ny rivo-doza amin’ity taona ity. Tamin’izany no nilazana fa mety hisy rivodoza roa hatramin’ny dimy mety hisy fiantraikany mivantana eto Madagasikara.
Ny farany teo i Honde, izay namela takaitra mavesatra tao amin’ny tapany atsimo. Azo lazaina ho tsy tafiditra an-tanety izy saingy namela takaitra betsaka. Amin’izao fotoana izao moa dia any amin’ny 400 km atsimo # atsinanan’ny morontsirak’i Madagasikara izy ary efa tsy misy hatahorana intsony.