Famokarana : Efa andalam-panatanterahana ny « parc agricole » mirefy 2 000 ha ao Bongolava
« Parc agricole » mirefy hatramin’ny 50 000 hektara no tanjon’ny fiaraha-miasa vaovao amin’ny orinasa sinoa, Sinomach Hainan, izay vao natao sonia ny faran’ny herinandro teo. Nihaona tamin’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ny avy ao amin’ity orinasa ity, omaly, niresaka ny paikady hanatanterahana izany. Nivoitra tamin’izany fa efa andalana ny fametrahana ny 2 000 hektara amin’io toerana lehibe io.
Hatomboka ao Bongolava
Toerana fampirantiana sy fampiofanana ara-pamokarana no ilaina io « parc agricole » io. Araka izany, any amin’ny faritra Bongolava aloha no hanombohana sy hanandramana azy. Raha ny tatitr’io fihaonana omaly io dia io 2 000 hektara io no hanombohana azy any an-toerana.
Raha tsiahivina dia any amin'ireo toerana stratejika amin’ny lafiny famokarana no hametrahana ireo « parc » ireo. Ankoatra an’i Bongolava ohatra dia hametrahana azy ihany koa any Menabe. Ho atao fampisehoana amin'ny fampiasana fitaovam-pambolena sy toeram-pitsapana ireo karazana fanavaozana ny fambolena mety eto Madagasikara ireo toerana ireo. Izany hoe, hanampy amin’ny fampitomboana ny famokarana ny fikarohana sy ny zava-baovao ho voatrandraka amin’ireo toerana ireo. Tanjona ambony indrindra amin’izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vokatra.
Hisy orinasa mifototra amin’ny fambolena haorina ihany koa
Mbola ao anatin’izany vina izany hatrany dia hisy ihany koa ireo orinasa mifototra sy ilain’ny fambolena efa andalam-panamboarana amin’izao amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity. Voalohany amin’izany ny orinasa mpanodina vokatra ho lasa sakafo azo jifaina eto an-toerana sy any ivelany. Hanaraka izany ny orinasa mpamokatra zezika izay natao mba hialana tsikelikely amin’ny fanafarana ka hampihena ny mason-karen’ireo tantsaha mpamboly.
Etsy ankilany moa dia hitohy hatrany ny fampiofanana ireo teknisianina ao amin'ny CFFAMMA amin'ny fanamboarana "machine agricole" sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny CAFPA sy ireo ivontoeram-pampiofanana any Chine ho fampitomboana ny fahaiza-manaon'ireo mpampiofana.