• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fanamboaran-dalana : Ho vitaina amin’ity volana marsa ity ny « voie rapide » Ivato – Ambohitrimanjaka

04/03/2025 09:40 © Moov

Mitohy ny asa fanamboarana ny lalana manitsy mampitohy an’Ivato amin’ny tanànan’Ambohitrimanjaka. Nitsidika ny Minisitry ny asa vaventy, omaly, ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny orinasa China Road And Bridge Corporation" na CRBC, izay mpanatanteraka ny asa. Nivoitra nandritra izany ny fe-potoana sisa hanamboarana ny lalana.

Mialohan’ny volana aprily

Zava-dehibe ho an’Antananarivo sy ny manodidina ny fahavitan’ity lalana vaovao ity, hoy ny Minisitra. Heverina hanala amin’ny ampahany betsaka amin’ny fitohanana eto andrenivohitra ny fampiasana azy io. Raha ny vinavina dia ho vita mialohan’ny volana aprily ny asa rehetra ary azo hampiasaina izy aorian’izany. Tao anatin’izany moa dia efa mampanantenana ny fahatrarana io fe-potoana io ny orinasa CRBC. Fanampin’izany dia efa nanamafy ihany koa izy ireo ny kalitaon’ny asa. Haharitra an-taonany maro sy ho lovainjafy ny fotodrafitrasa izay hamboarina, raha ny fanazavana hatrany.

Efa miasa ny ampahany

Iray volana mialohan’ny fahavitany, ary efa nanomboka hatramin’ny volana aogositra 2024 dia efa niasa ny ampahany tamin’iny lalana iny. Raha tsiahivina dia isan’ny tanjon’ity tetikasa ity ny hanalefaka ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Manamafy ireo mpamily fa efa vetivety amin’izao fotoana izao ny mamita io lalana Ambohitrimanjaka Ivato, mirefy 17km io raha natao efa ho 30 minitra izany teo aloha. Heverina hampisosa ny fifamoivoizana na ho an’ireo hizotra any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahaenina, na ho an’ireo hamonjy ny seranam-piaramanidina Ivato ihany koa izy ity.
Andro araka izany sisa no andrasana dia hihena ihany koa ny fitohanana betsaka eny Ambohibao sy Talatamaty, indrindra rehefa maraina sy hariva na ny fotoana maha-betsaka ny fifamoivoizana.

Lire la suite

Articles Similaires