• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Andro afrikanina ho an’ny tontolo iainana : Nanampy an’i Madagasikara namboly hazo 3 000 fototra i Congo

03/03/2025 16:39 © Moov

Marihina isaky ny 3 marsa ny andro afrikanina ho an’ny tontolo iainana. Tamin’ity taona ity dia niara-nanamarika izany teny Mahavelona, Distrikan’Ankazobe i Madagasikara sy i Congo. Zanakazo miisa hatramin’ny 3 000 fototra, tamin’ny velaran-tany 3 hektara no novolena.

Nahitana sampan-draharaha maro samihafa ity fiaraha-misalahy ity. Tao anatin’izany ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ireo masoivoho samihafa, ny Antenimierandoholona ary ireo sampana hafa.

Fiaraha-miasa maharitra

Samy te hanarina sy hiaro ny alany i Madagasikara sy i Congo, ka izany no anton’izao fiaraha-mientana sy firaisankina izao. Entin’ny roa tonta ihany koa izany mba hanamafisana ny fiaraha-miasany akaiky eo amin’ny lafiny tontolo iainana. Raha ny fanazavana dia dingana voalohany ihany ity fambolen-kazo nokarakaraina tao amin’ny distrikan’Ankazobe ity. “Hitohy hatrany io fiaraha-miasa eo amin’i Congo sy Madagasikara io aorian’ity fambolena ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny faritra afrikanina samy amin’ny tapany atsimo, eo amin’ny lafiny famatsiam-bola, ary koa amin’ny fifanakalozana vaovao, teknolojia ary fahalalana samihafa », hoy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Izany hoe, tanjon’ity fiaraha-misalahy ity ny hampaharetana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Ho an’ny tontolo iainana voakajy

Mbola samy manana ala natoraly mivelatra i Madagasikara sy i Congo. Mba ho fitazomana ireo ala ireo, indrindra ho an’i Madagasikara izay misedra fahasimbana betsaka kokoa noho i Congo dia manampy ity farany ity, amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo hazo ireo. Raha tsiahivina dia efa ny taona 1984 no nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta ; hamelo-maso indray io fifanarahana io dia nanampy an’i Madagasikara i Congo tamin’ity hetsika fikajiana ny tontolo iainana ity.
Ankoatra izay dia fotoan’ny fifanakalozana ihany koa io fotoana io satria hizara ny fomba fiarovany ny alany i Congo raha hahazo fahalalana momba ny fitantanana ny valan-java-boahary eto Madagasikara kosa izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires