Zavamaniry sy biby dia : An-tapitrisany mahery no ahiana ho lany tamingana
Omena lanja manokana, androany 3 martsa 2025, ireo zavamaniry sy biby dia. Marihina androany, toy ny isan-taona tokoa mantsy, ny andro eran-tany ho an’ny fiainana dia (Journée mondiale de la vie sauvage). Fotoana hitsiahivana izao, fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahaveloman’ny olombelona sy ny planeta ireo aina any anaty ala, hoy ny Firenena Mikambana.
Ady amin’ny famotehana ireo zavamaniry sy biby dia
"Ny famatsiam-bola iarovana ny fiainana dia, miasa ho an'ny zanak'olombelona sy ny planeta". Io no lohahevitry ny andro maneran-tany ho an’ny fiainana dia izay marihina androany. Nosafidiana io lohahevitra io, satria an-tapitrisany mahery ankehitriny ireo karazan-javamananaina ahiana ho lany tamingana, ka maika ny ahitana famatsiam-bola vaovao, mba hahafahana miaro azy ireo.
Ny biby sy ny zavamaniry dia no manome antsika sakafo, angovo, fanafody ary akora ampiasaina amin'ny fanorenana izay ilaintsika amin'ny andavanandro, hoy ny fanazavan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Araka izany, ilaina ihany koa ny miady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko, amin’ny ny famonoana, amin’ny fihinana ary amin’ny famotehana ireo zavamaniry sy biby dia.
Biby sy zava-maniry tandindomin-doza
Ny 20 desambra 2013, nandritra ny fivoriana faha-68-n’ny Firenena Mikambana, no napetraka ny andro maneran-tany ho an'ny fiainana dia. Fotoana natao anomezana lanja ny hatsaran’ny biby sy zavamaniry dia, izay maro karazana tokoa, ity andro androany ity. Mifandraika ihany koa amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana CITES, momba ny varotra iraisam-pirenena izay mahakasika ny biby sy zava-maniry dia, tandindomin-doza ao anaty ala, izay natao tamin'ny taona 1973, ity fanamarihana ity.
Ho an’ny andro androany dia mampahatsiaro ny fikambanana Conservation International fa afaka samy mitondra ny anjara birikiny ny rehetra, amin’ny fiarovana ny fiainana dia. Azon’ny rehetra atao ny manaja sy miaro ny zavaboaary sy ny tontolo iainana. Afaka miara-mientana ihany koa ny rehetra, manohitra ny fanondranana an-tsokosoko ny biby sy ny zavamaniry. Ankoatra izay dia ilaina ny fanabeazana sy ny fanentanana ny rehetra, ny amin’ny hasarobidin’ny natiora.