Tohana avy amin’i Etazonia natsahatra : Velom-panahiana ny Firenena Mikambana
Fikambanana misehatra amin’ny maha-olona maro manerantany no voatery nanajanona ny tetikasany, any amin’ireo firenena tena marefo. Isan’ny voatery mampihena ny fanampiana atolony ihany koa ireo rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana. Ny fampihenan’i Etazonia ny fanampiana omeny no anton’izany.
Tohana ho an’ny olona marefo
Namoaka fanambarana ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA) foibe, tamin’ny 26 febroary 2025, fa tapaka tanteraka ireo tohana miisa 48 azony avy amin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) sy avy amin’ny Departemanta Amerikanina. « Hisy fiantraikany ratsy amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy, amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpisehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona izany fanapahan-kevitra izany », hoy ilay fanambarana. Amin’ny ankapobeny, ireo tohana ireo dia nahafahan’ny UNFPA nanampy ireo tena marefo, teo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny vehivavy, ny ady amin’ny herisetra, ny fandraisana an-tanana ny herisetra ara-nofo sy ny fitsaboana maika amin’ny fotoanan’ny krizy.
Miantoka ny fandriampahalemana
Tsy ny UNFPA irery anefa no misedra olana ankehitriny, fa fikambanana maro maneran-tany. Isan’ny mizaka ny vokatr’izany ihany koa i Madagasikara, izay miankina betsaka amin’ny tohana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika. Ny faran’ny herinandro teo dia nilaza ho velom-panahiana i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, manoloana ireo tatitra voarainy avy amin’ireo rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana sy avy amin’ireo fikambanana tsy miankina maro misehatra amin’ny maha-olona sy amin’ny fampandrosoana. Hiantraika mafy amin’ireo fandaharanasa manan-danja ny fanapahan’i Etazonia ny famatsiam-bola, araka ny nambarany. « Ireo vondron’olona marefo, izay vao miarina taorian’ny ady, na taorian’ny loza voajanahary, no tena hiaina ny voka-dratsin’izany. Hiantraika amin’ny sehatry ny fampandrosoana, amin’ny ady amin’ireo mpampihorohoro sy amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina maneran-tany ihany koa izany », araka ny nambarany.
« Ny fahalalahan-tanan’ny vahoaka amerikanina hatramin’izay, dia tsy namonjy ain’olona fotsiny, fa nanangana fadriampahalemana sy nanatsara kokoa an’izao tontolo izao, nanampy tamin’ny fitoniana sy ny firoboroboan’ny toekarena maneran-tany, izay ilain’ny Amrikanina ihany koa », hoy i António Guterres, raha nanentana ny amin’ny tokony hiveren’ny governemanta amerikanina amin’izany fanapahan-kevitra hanajanona ny fanampiana omeny izany.