Foloalindahy : Niampy 29 mianadahy ireo manamboninahitra mpitsabo hiantsehatra
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin'ny Fitaleavana Betongolo ny famoahana ireo manamboninahitra mpitsabo vaovao hiantsehatra. Miisa 29 mianadahy izy ireo avy ao amin’ny andiany faha-26 ao amin’ny « Cinquième Cours de Perfectionnement en Santé Militaire (Vème CPSM) »
Nitarika sy nanome voninahitra ny lanonana tamin'izany ny Tale Jeneralin’ny Rantsamangaikan’ny Fiarovana (Directeur Général des Organismes de Défense # DGOD) ao amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny solontenan’ny Minisitra sy ny Tale Jeneralin'ny CENHOSOA, ny Talen’ny DCSSM ary ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny eo anivon’ny Tafika malagasy.
Handray an-tanana mivantana ireo miaramila
Nanampy ny fianarana ara-teorika ny fampiharana notanterahina teny anivon’ny Hôpitaly miaramila etsy Soavinandriana (CENHOSOA) sy ny tao amin’ny « Formations Spéciales des Forces Armées » Antananarivo. Araka izany afaka handray an-tanana mivantana ireo miaramila miantsehatra eny an-kianja izy ireo taorian’izao famoahana izao. Izany ihany koa ny fahalalana nohamafisina nandritra ny enim-bolana nianarana. « Manana ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’ny maha miaramila sy maha dokotera ireto miaramila mpitsabo ireto noho ny fizaran’asa sy ny fikarohana fahalalana tao amin’ny sampandraharaha « chirurgie cérébrale et vasculaire » sy tao amin’io « Formations Spéciales des Forces Armées », io », hoy ny fanazavana. Raha tsiahivina dia ireto mpitsabo miaramila ireto ihany no mitsabo eny an-tsehatra eny raha misy ny loza mety hiseho amin’ireo miaramila miasa. Tafiditra ao anatin’izany ny tafika an-tanety, an-dranomasina sy an’habakabaka.
Toy ny mpitsabo rehetra dia efa manana ny fahaiza-manaony amin’ny sehatry ny fitsaboana izy ireo no sady manana fahaiza-manao amin’ny maha-miaramila ihany koa. Isan’ny fototra ilain’izy ireo amin’ny fidinana an-tsehatra io farany io, indrindra rehefa fotoan’ny fifandonana mahery vaika.
Raha ny fanazavana dia mbola tsy ampy ny filàna manerana ny Nosy, ny isan’ireo manam-boninahitra mpitsabo amin’izao fotoana izao.