• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Ephrem Rezanou
Image
Vaovao

Rivodoza Honde : Nahafaty olona 3 tany Ampanihy Andrefana

03/03/2025 09:30 © Moov.Mg

Araka ny tatitra farany voaray avy eo anivon’ny Biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), dia olona telo no nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Honde, tany amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara.

Voka-dratsin’ny rivodoza Honde

Samy avy ao amin’ny Distrikan’Ampanihy Andrefana avokoa ireo olona namoy ny ainy ireo, ka 1 tao Ampanihy, 1 tao Beahitse, 1 tao Androipano. Olona iray ihany koa no tsy hita popoka, tany Belo amoron’i Tsiribihina. Ankoatra ireo dia nisy olona miisa 69 naratra, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny BNGRC, ho an’ny datin’ny omaly 2 martsa 2025, tamin’ny 2ora sy 30mn.

Ankoatra ireo dia tokantrano 9 517 isa, ahitana olona 43 235 isa no traboina, ka tao amin’ny Distrikan’i Toliara faharoa no nahitana betsaka indrindra, miisa 11 308 ; aorian’izay ny tao amin’ny Distrikan’Ampanihy Andrefana : 11 221 isa. Olona 20 632 isa, avy amin’ny tokantrano 4 840 isa, no voatery nafindra toerana, ka nozaraina amin’ny ivon-toerana fandraisana traboina vonjimaika miisa 57. Araka ity tatitra ity hatrany dia nahatratra 7 248 no isan’ireo trano dibo-drano, 913 no simba amin’ny ampahany ary 1 924 no rava tanteraka. Nisy 21 isa ireo efitranon-tsekoly no simba tanteraka. Faritra miisa 4, Distrika 15 ary kaominina 65 moa no voakasiky ny rivo-doza Honde.

Vokatry ny orambe

Tsy mitsaha-mitombo ihany koa ny isan’ireo namoy ny ainy, vokatry ny orambe izay nitranga nanomboka ny 14 febroary 2025 hatramin’ny 19 febroary 2025. Tafakatra 29 izany, raha ny antontan’isa avy amin’ny BNGRC omaly 2 martsa 2025, tamin’ny 2ora sy 30mn. 33 641 no isan’ny olona traboina, ary 11 468 isa no nafindra toerana tamin’ireo ivon-toerana fandraisana traboina vonjimaika miisa 45. Efa nisy tamin’ireo olona traboina ireo no namonjy ny tokantranony, toy ny teny amin’ny Boriborintany faha-6 Antananarivo Renivohitra, izay efa tafody ny sabotsy hariva teo avokoa, rehefa nahazo fanampiana. Raha atotaly dia toby 28 isa ankehitriny no efa tsy ahitana traboina intsony.

Lire la suite

Articles Similaires