Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 24 febroary hatramin'ny 2 marsa 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 24 febroary hatramin'ny alahady 2 marsa 2025
Rivodoza Honde # Voa mafy ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana
Nanomboka ny alakamisy 27 febroary teo dia efa dibo-drano ny tanànan'i Morondava. Niakatra mantsy ny ranomasina tao Nosikely (Petite Plage) ka nandrakotra ny tanàna manontolo. Manarona ny valahana ny rano raha olondehibe no mijoro. Na ny tobin'ny mpamonjy voina tany an-toerana aza dia dibo-drano avokoa. Nirotsaka an-tsehatra namonjy ireo traboina ireo mpitandro ny filaminana, na polisy na zandary. Ireo beantitra, zaza sy ankizy no tena natao loha-laharana ny famoahana azy ireo tamin'ny trano feno rano.
Marobe ihany koa ireo traboina tao Toliara I sy II. Araka ny loharanom-baovao, tapaka ny RN10 mampitohy an'i Toliara, Ampanihy, Ambovombe. Fotaka mandrevo ny arabe ka tsy tafita intsony na fiara lehibe sy avo aza.
Kianja Barea Mahamasina # Mbola tsy nahazo "Homologation"
Ny bozaka eo amin'ny Kianja Barea Mahamasina no voalaza fa tsy mahafeno fepetra, ka tsy nahazoana ny "homologation" avy amin'ny CAF. Noho izany, mbola tsy afaka Mandray lalao iraisampirenena aloha ny kianja. Tsy maintsy misy indray ny fanatsarana izany vao afaka mangataka ny fizahana hahazoana ny "homologation" indray i Madagasikara.
Tsy hanao ny "match à domicile" eto an-toerana araka izany ny Barean'i Madagasikara, amin'ny lalao fifanintsanana Mondial 2026. Any amin'ny Grande Stade d'Al Hoceima Maroc no hanatanterahana ny lalao ifanandrinan'i Madagasikara sy Ghana, ny 24 marsa ho avy izao.
Ady amin'ny Tsifanjariantsakafo # Nosokafana ny atrikasa fanomanana ny Paikady 2025-2030
Nosokafan’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin'ny fomba ôfisialy ny 25 febroary lasa teo ny atrikasa hametrahan'i Madagasikara ireo tanjona hotratrarina ao anatin’ny dimy taona ho avy mikasika ny famongorana ny tsifanjariantsakafo. Ny tanjona moa dia ny hahafahana mampihena hatramin’ny 25% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo lavareny ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona, raha toa ka 40% izany amin’izao fotoana izao.
Mamaritra io salan'isa io ny vina sy ny ezaka rehetra napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina hatramin’ny taona 2019, ka raha nahatratra 45% ny tahan'ny tsifanjariantsakafo tamin'izany fotoana izany, dia efa nidina ho 40% kosa ankehitriny.
PAC # Ady amin'ny famotsiambola azo avy amin'ny zava-mahadomelina mahery vaika
Olona 10 voarohirohy tamina raharaha mikasika ny fanaparitahana zava-mahadomelina mahery vaika sy fampiasana fitaovana sy zavatra azo avy tamin'ny heloka mikasika ny zava-mahadomelina no niakatra ny fampanoavana. Ny 8 naiditra amponja vonjimaika eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy ary 2 izay vehivavy kosa notanana eny amin'ny fonjan'Antanimora. Misy teratany maorisianina amin'ireo voapanga ireo. Misy manamboninahitra ao amin'ny zandarimaria sy polisy ihany koa voarohirohy, noho ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana.
Amin'ny maha-raharaha sarotra izany dia ny Mpitsara Mpanao famotorana no misahana ny fanadihadihana lalina. Anisan'ireo fepetra efa noraisina ny "saisie" ny sambo nitaterana cocaïne tany Taolagnaro.
Fonjan'Antanimora # Nakatona ny faritra "Maputo"
Misy ny atao hoe "Maputo" ao amin'ny Fonjan'Antanimora, izay hofain'ireo voafonja politika sy manambola. Ny efitra ao dia misy kidoro tsara, misy vata fampangatsiahana, televiziona, herinaratra, afaka manao komandy sakafo tsara sns.
Nanambara nefa ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Alexis Benjamin, nandritra ny fitsidihana tampoka fa mitovy avokoa ny voafonja rehetra, na iza na iza. Nakatona araka izany ny "Maputo". Nilaza ny Minisitra fa "Fanatsaharana ny fisian'ny tombo sy ala eo samy voafonja no anton'izao fanapahan-kevitra izao, ary koa fiarovana ireo mpandraharahan'ny fonja amin'ny mety ho fanendrikendrehana fanaovana kolikoly". Ho an'ny Maputo manokana dia isan'ny soso-kevitra naroson'ny Minisitra ny hoe, ireo voafonja zokiolona 70 taona noho ny miakatra no apetraka ao.
Oniversiten'Antananarivo # Fankalazana ny andron'ny Tenindreny 2025
Andro natokan’ny UNICEF hoan’ny tenindreny ny 21 febroary, ka nankalaza izany i Madagasikara. Nampiavaka ny fankalazana tamin’ity taona 2025 ity ny faha 25 taona nakalazana izany. Nikarakara hetsika ara-tsiantsa ny Ivon-toeran’ny Arika, Zavatra ary Olona Malagasy (ITAZOMA/CIRAM), toeram-pikarohana ao amin’ny Sampana Malagasy ao amn’ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siantsan’ny maha Olona.
Nisy ihany koa ireo famelabelarankevitra narahana ady hevitra miisa 9, nataon’ireo mpikaroka eo anivon’ny oniversite, izay niompana tamin’ny lohahevitra hoe : “TENIN’NY TANY : ANTOKY NY FANABEAZANA MAHOMBY, FOTOTRY NY FANDROSOANA MATEZA”. Nafana ny ady hevitra ary taratry ny fahalianan’ny mpanatrika izany, satria ny teny tokoa dia tsy fitaovan-tserasera fotsiny ihany, fa andrin’ny fandrosoana ihany koa.
Marais Masay # Nogiazana ireo harato fanjonoana an-tsokosoko
Tena maro tokoa ireo mpanjono eny amin'ny Marais Masay. Harato 100 metatra no azo ny alatsinainy 24 febroary 2025, 400 metatra ny sabotsy talohan'io, 100 metatra ny alakamisy 20 febroary ary 120 metatra ny talata 18 febroary 2025. Raha atambatra ireo dia efa 720 metatra izany anatin'ny herinandro monja ny halavan'ny harato tratran'ny Vondron'ny Polisy Monisipaly Antananarivo teny an-toerana.
Voarara moa ny fanaratoana sy ny fanjonoana eny amin'ny Marais Masay satria tsy azo hohanina ny hazandrano avy amin'io farihy io. Voarara koa ny fivarotana izany fa mampihinana maloto ny mponina.Entanina ny rehetra mba hanjifa trondro eny amin'ireo mpivarotra azo antoka, ary tsy hividy ireny trondro nendasina amidy mora eny amoron-dalana ireny.
Andavamamba # Tokantrano maherin'ny 80 no hisitraka trano vaovao
Ho tokanana amin'ny fiandohan'ny volana jona 2025 ireo trano vaovao miisa 87 eny Andavamamba. Vokatry ny tetikasa PRODUIR izany. Misy ihany koa ny fanadiovana ireo lakandrano C3, ka efa vita 71% ny asa mikasika ny fametrahana ny toerana fanodinana fotaka, mahavita manadio 800 m³ ao anatin’ny 20 ora.
Nisy ny fitsidihana ny toerana misy ireo trano vaovao sy ny fizotry ny asa fanadiovana ny manodidina ny 27 febroary lasa teo. Tsiahivina fa tanjon'ny PRODUIR ny fisorohana ny tondradrano sy ny fanatsarana ny kalitaon'ny fiainan'ny mponina. Vina goavana araka izany ny fanovàna an’Antananarivo ho Tanàna madio, mandroso, ary manana tetikasa manan-danja ho an’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina. Ny Banky Iraisam-pirenena moa no mpamatsy vola ny tetikasa.
Talatamaty # Nisy nitoroka ireo mpamatsy rongony
Ireo mpifoka sy mpividy ihany ihany no nanondro ireo mpamatsy azy ireo tao Antanifotsy fokontany Imerinafovoany, Kaominina Talatamaty, ny marainan'ny 23 febroary. Tetsy ankilany, nisy ny fitarainan'ireo mponina ny amin'ny fahasimbàn'ireo tanora sy ny tsy fahazakàna ny fofon-drongony.
Olona roa mpivarotra niaraka tamin'ireo mpifoka niisa dimy no nosamborin'ny zandary. Tratra nandritra izany ireo fonosana rongony 23 isa handeha hamidy. Mampahatsiahy ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy vokatsoa azo avy amin'ny fandraisana rongony. Manimba ny fahasalamana sy ny fiainana manontolo mihitsy io zava-mahadomelina mahery vaika io.
Antananarivo Renivohitra # Mitsirika ireo fotodrafitrasa mampiahiahy ny mpamonjy voina
Mihatsara ny andro amin'ny ankapobeny na dia mbola ao anatin'ny vanim-potoan'ny fahavaratra aza isika. Mihatsara ny andro. Maro ny fotodrafitrasa toa nahazaka ireny orambe ireny nefa lasa malemy ny fototra : trano, tamboho, panneau publicitaire, sns.
Nampiantso fihaonana niarahana tamin'ny Préfet, ny Sefo distrika ary ny Sefo fokontany 192 ny Ben'ny Tanàna, ny fiandohan'ny herinandro lasa teo, ary mizotra soa aman-tsara ny fitsirihana isam-pokontany sy isam-bohitra eto Antananarivo. Ireo fotodrafitrasa maneho singa mety hitera-doza dia anaovana tatitra avy hatrany ao amin'ny Vondron'ny Mpamonjy Voina sy/na ny fitaleavana mandrindra ny loza sy ny tadindon-doza (DGRC) ao amin'ny CUA.
Moramanga # Notolorana Jiro Cobra hanazavana ny tanàna
Tetikasa Hazavana ho an'ny daholobe. Notolorana jiro « Cobra », avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ny tao Moramanga ny 28 Febroary lasa teo. Ampiasaina amin'ny fanazavana ny elakelantrano sy ny lalambe ireo jiro ireo, ho fanohanana ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana.
Izany hetsika izany dia tafiditra anatin'ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny, ny tahan'ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin'ny taona 2030. Nifanindran-dalana tamin'ny lanonana fametrahana samboady ireo Ben'ny Tanàna voafidy eto amin'ny Faritra Mangoro ny hetsika.
Ambatofinandrahana # Lavo ny dahalo roa anisan'ny tompon'antoka tamin'ny famonoana ny Rasazy Narindra
Olon-dratsy miisa 2 no lavon'ny balan'ny mpitandro ny filaminana. Anisan'ireo voarohirohy tamin'ny famonoana ny Ben'ny Tanànan'i Mangataboahangy Rasazy Narindra ireo. Nandritra ny fampandriana tany tao Itremo moa no nifanandrinan'ny mpitandro ny filaminana tamin'ireo dahalo. Nisy ihany koa ny omby halatra, tsy manana taratasy ara-dalàna, izay tra-tehaka.
Raha tsiahivina, miisa 8 izany izao ireo voasambotra tamin'ny raharaha fitifirana ny Rasazy Narindra. 6 tamin'ireo no azo sambo-belona ka anaovana fanadihadihana, ary ny roa kosa maty teo am-pisamborana azy.
Matsiatra Ambony # Atrik'asa fakan-kevitra mikasika ny ady amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona
Famolavolana ny Drafitra Nasionaly mahakasika ny ady atao amin'ny fampiasana ankizy taona 2025-2040. Nantanteraka atrik'asa fankan-kevitra mialoha momban'izany ny Fitaleavam-paritry ny Asa ny Famapananan'asa ary ny Asam-panjakana, androany 25 Febroary 2025, teto amin'ny Lapan'ny Faritra Mahatsiatra Ambony.
Nampahafantarina nandritra izany ny lalàna mifehy ny fampiasana zaza sy ny fampiharana izany, ary ireo endrika fampiasana ankizy tsy ara-dalàna izay mateti-pitranga eto an-toerana.Tanjona amin'ity atrik'asa ity ny fanangonana ireo antontan-kevitra ety ifotony ho fampitsaharana ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ka hisitrahany ny Zò feno amin'ny maha-zaza azy.
Fianarantsoa # Fisamborana ireo olona mitafy fanamian'ny mpitandro ny filaminana
Ny talata 25 febroary lasa teo nonanaovan'ny mpitandro ny filaminana tao Fianarantsoa hetsika famongorana sy fisamborana ireo olona mbola manao fitafiana mitovy amin'ny fanamian'ny mpitandro ny filaminana. Notarihin'Andriamatoa Kapiteny, Komandin'ny vondro-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa, ny fidinana ifotony. Marobe ireo tratra ka nandraisana fepetra avy hatrany, toy ny fisamborana.
Entanina hatrany ny sivily manerana ny Nosy fa tsy azo atao ny mitafy ireny akanjo sy pataloha ary satroka mitovy amin'ny an'ny mpitandro ny filaminana ireny fa mahavoasazy, araka ny lalàna velona.
Mahajanga # Mitohy ny asa fanamboaran-dalana
Mitohy ny asa fanarenana ny lalana ao an-tampon-tantanan'i Mahajanga. Nanatanteraka ny fametrahana “couche d'accrochage” sy fandrarahana “enrobé” eo anoloan'ny Prefektiora ny orinasa ny faraparan'ny herinandro teo. Efa nanomboka ihany koa ny fandrarahana tara eo amin'ny "Jardin Kaila". Mba hanamafisana ny fandrosoan'ny asa moa ia miasa andro sy alina ny orinasa, mba hahafahana manatanteraka izany haingana.
Ankoatr'izany, manomboka amin'ity volana marsa ny asa ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaefatra (RN4), mampifandray an'Antananarivo sy Mahajanga. Efa nahazo ny fifanarahana ny orinasa tomponandraikitra amin'ireo asa ireo, izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola ho an'ny Lalana na "Fonds Routier" vola.
Ekonomia # Manohana an'i Madagasikara hatrany ny Banky Iraisam-pirenena
Tontosa ny 25 febroary lasa teo ny fanolorana tamin'ny fomba ofisialy ny "Note de conjoncture économique de Madagascar : Combler le gap de la productivité", izay norafetin'ny Banky Iraisam-pirenena. Teboka maro no navoitra ao anatin'izany tatitra izany, ka anisan'izany ny fampivoarana ny famokarana izay miantoka ny fampandrosoana maharitra sy iombonana, ny fampivoarana ny famoronan'asa ary ny fandinihana ny famokarana eo anivon'ny orinasa.
Nanamafy ny Banky Iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'Andriamatoa Atou SECK , Solotena Maharitra eto Madagasikara, fa vonona hatrany amin'ny fanohanana ny Governemanta Malagasy, sy ireo sehatra tsy miankina ary ny mponina amin'ny alalan'ireo fiaraha-miasa sy tetik'asa izay tohanany.