• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Honde : Afa-doza i Toliara I-II. Faritra mena i Androy sy Ampanihy

01/03/2025 08:05 © Moov

Mbola mihaodihaody ao Atsimo andrefan'i Madagasikara ilay rivodoza mahery Honde. Tsy hiakatra an-tanety mihitsy izy, saingy manakorontana ny toetr'andro amin'ny faritra maro.

Androany 1 marsa, tamin’ny 03 ora maraina teo dia any amin’ny 121 Km atsimo somary atsimo andrefan’i Cap Sainte Marie no nisy ny foiben’i HONDE. Mbola rivodoza mahery na Cyclone Tropical hatrany ny sokajy misy azy. 120 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 165 Km/ora manakaiky ny foibeny. Tsy nihetsika firy izy tao anatin’ny adiny enina farany.

Fikorotanan'ny toetry ny andro

Mbola mitoetra amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny rahona miaraka amin’ity rivodoza ity, izay miteraka tafiotra mety mihoatra ny 90 Km/ora. Vinavinaina hanalavitra miandalana ny morontsiraka atsimo io rivodoza Honde io manomboka anio tolakandro, izany hoe hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny toetry ny andro afaka andro vitsivitsy.
Araka zany, tombanana mbola ho betsaka ny rotsakorana (60 hatramin’ny 120mm/24 ora) anio. Ahiana noho izany ny tondradrano, ny fiakaran’ny renirano sy ny ranomasina ary ny fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo toerana marefo.
Misy fiantraikany amin'ny toetry ny andro amin'ny faritra maro manerana ny nosy moa io rivodoza io. Hanorana matevina any Androy sy Ampanihy. Hanorana tandrifindrahona any Atsimo Andrefana sy Anosy ary ny morontsiraka avaratra andrefana. Handrahona na handrahona mahalana ny faritra avaratra sy afoavoany andrefana ary ny ilany andrefan’ny atin-tany. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any amin’ny faritra hafa.

Filazana loza

-Loza mitatao miloko mena : Androy sy Ampanihy
-Loza manambana miloko mavo :Anosy
-Fahamailoana miloko manga : Toliara I-II, Betioky Atsimo ary Benenitra
Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy hatrany Vangaindrano mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires