• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Tetikasa Mitao Forecast : Ho ampiasaina ny teknolojia entina hiarovana ny ain’ireo mpanjono

28/02/2025 16:17 © Moov

Miisa 3 isam-bolana ireo mpanjono mamoy ny ainy any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy noho ny fiovan’ny toetr’andro tampoka. Hialana amin’izany loza izany indrindra dia nanetsika ity tetikasa Mitao Forecast ity ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Nampahafantarina, androany, tetsy Ivandry ny momba io paikady vaovao io.

SMS sy takelaka famantarana mialoha ny toetr’andro

Isan’ny mahatonga ny fisehon’io loza io matetika ny tsy fahalalana ny mety ho toetry ny andro ka mbola handehanana miandriaka hatrany. Ara-potoana tsara araka izany ity tetikasa ity satria hanampiana ireo mpanjono. Fitaovana roa samihafa no hampiasaina hampahafantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro eny an-dranomasina. Isan’izany ny SMS izay hamadika avy hatrany ny vinavinan’ny Météo ho lasa hafatra mora vakiana. Handray avy hatrany io SMS io ireo mpanjono eny ifotony ka afaka hanapa-kevitra ny hanjono na tsia.
Toy izany ihany koa ny fampiasana ny takelaka (tableau agro météorologie). Arak'izany hampahafantarina amin'ny takelaka famantarana ireo "code couleur" miisa efatra, maintso, mavo, volomboasary ary ny mena. Ao anatin’izany dia ireo zaza 5 taona miakatra na ireo vadina mpanjono na ireo tsy mahay mamaky teny dia mahafantatra avy hatrany fa tokony na tsy tokony hivoaka an-dranomasina ireo mpiandrika.
Efatra andro mialoha dia efa mahafantra avy hatrany ny mety ho toetry ny andro ireo mpanjono eny ifotony amin'ny alalan'ireo fitaovana ireo.

Fitaovana efa nahitam-bokany

Miisa 3 000 eo ho eo ireo "village des pêcheurs" eto Madagasikara, ary ahitana mpanjono hatramin’ny 15 000, raha ny tatitry ny Ministera. Efa samy nametrahana ny "tableau agro météorologie" avokoa ireo toerana ireo ary nampihena hatramin'ny 98% ny taham-pahafatesan'ireo mpanjono. Hanampy betsaka ireo mpanjono araka izany io tetikasa io. Ankoatra izay dia afaka hiarovana ny ain’ireo mpizahatany mikasa hijery ny ranomasina ihany koa.
Azo tsapain-tanana ny fahombiazan'izany tetikasa izany Teto Madagasikara, hoy ny Minisitra. Vokatr’izany dia haparitaka manerana ny Afrika izany fahaiza-manao amin'ny fiarovana ireo mpanjono ireo izany.

Lire la suite

Articles Similaires