Famokarana : Handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fambolena ny orinasa Sinoa Sinomach
« Vonona hamatsy vola amin’ny fampandrosoana ny fambolena ny Orinasa lehibe Sinoa Sinomach », hoy ny avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ho fanatanterahana izany indrindra dia nitsidika sy nijery ifotony ny toerana hanatanterahana ny tetikasa ny roa tonta omaly. Eo Ambohibary, Distrikan’i Moramanga no hanombohana izany asa izany.
Fotodrafitrasa samihafa
Isan’ny tafiditra ao anatin’io fiaraha-miasa io ny fanamboarana fotodrafitrasa ara-pamokarana ao amin’io toerana io. Tafiditra amin’izany ny fanamboarana tohodrano ho an’ny velaran-tany midadasika izay hambolena karazana vokatra samihafa. Ny vary no tena laharam-pahamehana amin’izany. Tanjon’izany ny hampiakatra avo roa heny na maromaro ny taham-boka-bary ao Ambohibary, hanatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha ary hanome vahana ny famokarana.
Hifanindra-dalana amin’izany asa izany ihany koa ny fanamboaran-dalana. Izany dia natao mba hanamora ny famoahana ireo vokatra samihafa ao an-toerana. Etsy andaniny dia mbola hiampy kioska nomerika ho an’ny tantsaha ihany koa izany. Hahafahan’izy ireo mahazo fampiofanana sy torolalana ara-teknika indray kosa ity farany ity.
Masomboly sy zezika
Raha tsiahivina dia efa miara-miasa amin’ny orinasa sinoa maro samihafa ihany koa i Madagasikara amin’ny fanafarana masomboly sy zezika ara-kalitao ho amin’izany asa izany. Hanampy izany ihany koa ny Sinomach. Hampiasa vola amin’ny famatsiana ambioka, zezika, fitaovam-pamokarana maro samihafa ho an'ireo tantsaha mpamboly izy ireo.
An-kafaliana ihany koa ny nandraisan’ireo mponina ity orinasa ity. Raha tsiahivina mantsy dia mbola miaina amin’ity sehatry ny fambolena ity ny ankamaroan’ireo mponina any an-toerana. “Feno ny fepetra rehetra hampandrosoana ny fambolena sy hanatsarana ny fiainan’ny tantsaha eto Ambohibary”, hoy ny solombavambahoaka Lova Rajaobelina, nisolo tena ireo tantsaha. Nazavainy tamin’izany fa hitombo ny fambolena, ny tantsaha ho voatohana ary ho mora kokoa ny famoaham-bokatra. Raha ny fanamarihana dia fanombohana ihany io tao Ambohibary io fa hihitatra amin’ny faritra maro ny fiaraha-miasa.