• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mtefop
Image
Vaovao

Orinasa mpanamboatra fanamiana miaramila frantsay : Manaraka ny lalànan’ny asa malagasy

28/02/2025 11:38 © Moov.Mg

Niteraka resa-be, tany Frantsa sy teto Madagasikara, ny fanamboarana ny fanamian’ireo miaramila frantsay aty Madagasikara. Isan’ny mampiahiahy ireo olom-boafidy frantsay ny momba ny fanajana ny zo maha-olon’ireo mpiasa sy ny fanajan’ny orinasa ny fenitra ara-tontolo iainana. Nidina nijery ny zava-misy teny amin’ny orinasa Paul Boyé eny Tanjombato, Antananarivo Atsimondrano, omaly, ny minisitry ny Asa sy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria.

Orinasa afak’haba Paul Boyé

Isan’ny niteraka resa-be ny fiheverana fa mampiasa zaza tsy ampy taona ity orinasa ity, amin’ny fanamboarana ireo fanamiana miaramila frantsay sy fanamiana hafa. Raha ny lalàna velona eto amintsika anefa, dia tsy azo atao ny mampiasa zaza latsaky ny 18 taona amin’ny orinasa afak’haba misehatra amin’ny fanjairana. Nanamafy ny tale jeneralin’ny orinasa Paul Boyé, Lahsen Mouzouni, fa eo anelanelan’ny 21 hatramin’ny 40 taona ny mpiasa ao aminy. Voamarina tao anatin’ny fitsirihana natao izany, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana. Hita nandritra ity fidinana nataon’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, David Ralambofiringa, sy ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana Hanitra Razakaboana ity, fa manaraka ny fenitra sy kalitao takiana amin'ny orinasa afak’haba eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ireo vokatra vokarin'ity orinasa ity.

Matianina amin’ny fanamboarana fanamiana miaramila

Niaraka nanao ny fitsirihana tamin’ireo minisitra, ny Vondron’ny orinasa afak’haba sy mpiara-miombon’antoka (GEFP). Mpikambana ao anatin’ny GEFP rahateo ny Orinasa Paul Boyé eto Madagasikara. Mampiasa olona manodidina ny 2 400 isa izy ary misehatra amin’ny lamba. Tsy i Madagasikara ihany no miara-miasa amin’ny orinasa Paul Boyé, fa firenena maro maneran-tany. Tsy ny fanamiana miaramila ihany kosa no amboarina ao, fa hita ao ihany koa ny fanamiana ho an’ireo zandary, mpamonjy voina, fanamiana miaro amin’ny nokleary, sns.

Nanamarika ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, fa ny 40%-n’ny latsakemboka ho an’ny Tahirim-pirenena misahana ny Fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) dia avy amin’ny orinasa misehatra amin’ny lamba. Araka ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra roa tonta dia manaja tanteraka ny lalàna malagasy ny orinasa Paul Boyé, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy.

Lire la suite

Articles Similaires