Fanjakana sy ny tsy miankina : Tanàna miisa 400 any ambany vohitra hampidirana jiro amin’ny alalan’ny « mini-réseau »
Tanterahina amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina (3P) ny fampisitrahana herinaratra eny amin’ny tontolo ambany vohitra. Isan’izany ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo amin’ny orinasa WeLight. Nanatanteraka dinik’asa izy ireo omaly amin’ny fanatanterahana io fanamby lehibe amin’ny sehatry ny herinaratra io.
Efa misy tanàna miisa 400 vita fanadihadiana
Amin’izao fotoana izao, raha ny tatitry ny WeLight dia efa tanàna any ambany vohitra miisa 172 no misitraka herinaratra amin’ny alalan’ny « mini-réseau ». Izany hoe efa hatramin’ny 150 000 eo ho eo izao ny mpisitraka herinaratra avy amin’ity paikadin’ity orinasa ity. Raha ho an’ny taona 2024 fotsiny dia olona hatramin’ny 10 000 isam-bolana no misitraka herinaratra vokatr’izany, raha ny fampitam-baovao. Amin’izao fotoana izao dia efa misy tanàna hatramin’ny 400 indray no efa vita fanadihadiana mba hahafahana mametraka herinaratra amin’ny alalan’io « mini-réseau » io. Ahitana olona miisa 300 isanisany izany toerana izany. Hiara-hiasa amin’ny MEH araka izany ity orinasa ity hanatrarana ny tanjona eto Madagasikara. Raha tsiahivina dia tanjon’io fiaraha-miasa io ny fanitarana ny famatsiana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro.
Hatsaraina ny paikady
Eto Afrika amin’izao fotoana izao dia mbola ahitana olona hatramin’ny 600 tapitrisa tsy manana herinaratra. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Isan’ny nisongadina tamin’ity fihaonana ity ihany koa araka izany ny hanatsarana ny paikady mba hanatrarana ireo tanjona napetraka. Isan’ny hanatanterahana izany asa izany ny tetikasa DECIM. Nametraka paikady ho amin’izany araka izany ny roa tonta. Voaresaka ihany koa ny fandraisan'anjaran'ny orinasa WELIGHT tamin'ny fivoriambe M300 ary ny vinan'asa hapetraka hatramin'ny taona 2030. Ity farany ity izay tanjon’ny firenena afrikanina ny hampisitraka herinaratra olona hatramin’ny 300 tapitrisa hatramin’ny taona 2030. Handray anjara amin’izany ny WeLight. Nanamafy moa ny Tale Jeneralin’ny WeLight fa mbola vonona hatrany hampiroborobo ity fisitrahana herinaratra ity, eto Madagasikara sy aty Afrika, mba ho fampivoarana ara-toekarena.



