• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

HONDE : Lasa Rivodoza mahery. Faritra mena ny any Atsimo Andrefana

28/02/2025 06:43 © Moov

Cyclone Honde. Mihatra ny loza (filazana miloko mena) ao Toliara I sy II, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe. Ho an'i Morondava, efa hatramin'ny omaly no niakatra nanondraka ny Tanana ny ranomasina avy eny amin'ny "Petite plage".

Tsy hiditra an-tanety ny Cyclone Honde. Na izany aza, misy fiantraikany amin'ny toetr'andro ny fandalovany. Androany 28 febroary, tamin'ny 03 ora maraina teo dia tany amin’ny 132 Km atsimo andrefan’Itampolo/Ampanihy no nisy ny foibeny. Nitombo hery izy ka lasa rivodoza mahery na Cyclone Tropical. 120 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 165 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana somary atsimo Atsinanana hatrany izy ka nahafaka 11 Km/ora.

Rivotra mafy sy orambe

Efa nitoetra any amin’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana ny rahom-baratra sy ny rivotra miaraka aminy nandritry ny alina, izay tombanana hitohy amin’ity anio ity.
Hikija hatrany arak’izany ny rotsakorana (70 hatramin’ny 130mm/24 ora) hatramin’ny rahampitso ka ahiana ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano/ranomasina sy ny fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo toerana marefo. Tsy ny faritra Atsimo Andrefana ihany moa no hahazo orana fa hihitatra hatraty amin'ny ilany andrefan'ny afovoan-tany, Boeny, Mampikony, Antsohihy sy Analalava izany.

Fampitandremana sy filazana loza Rivodoza Honde

Efa voalaza etsy ambony ireo toerana mahazo fampitandremana miloko mena, dia Toliara sy ny manodidina. Mitohy androany 28 febroary ny fepetra efa nihatra hatramin'ny omaly. Nolazain'ireo tompon'andraikitra mantsy fa "Miato ny fampianarana amin'ireo CISCO ao amin'ireo distrikan'i Toliara I sy II, Betioky Atsimo sy Ampanihy Andrefana. Tsy miasa ihany koa ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina". Samy mandray ny andraikitra tandrify azy kosa ny amin'ireo toerana izay efa misy traboina. Ny any Morondava ohatra dia mitoby ao amin'ny EPP Avaradrova ireo traboina.
Mahazo filazana loza miloko mavo (loza manambana) kosa ireto toerana ireto : Faritra Anosy, Betioky Atsimo, Benenitra, Bekily ary Ambovombe. Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy hatrany Vangaindrano mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza. Entanina ireo mipetraka amin'ny toerana amoron-dranomasina mba hiala ka hamonjy toerana azo antoka kokoa.Tsara raha miato tanteraka ny fivezivezena amin'ireo faritra mena mba hisorohana ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires