Fanarenana ny atiala : Mamboly zanaka baobaba ao amin’ny Distrikan’i Morombe ny tetikasa Tefiala
Ny fanarenana ny atiala sy ny endri-tany, ny fanatsarana ny tontolo iainana ary ny fiarovana ny zavaboaary no andraikitra sahanin’ny tetikasa Tefiala. Iray amin’ireo toerana misitraka mivantana ny tetikasa ny Endritany Bas Mangoky, any amin’ny Distrikan’i Morom¬be, izay nanatanterahana fambolena zanaka renala (baobaba).
Fanarenana ny atiala simba
Zanaka renala 2000 isa no novolena tamin’ny velaran-tany 10 ha tao Antsakoabe, Kaominina Tanandava Station, Distrikan’i Morombe, ny 25 febroary 2025, ho fanombohana ny taom-pambolen-kazon’ny tetikasa Tefiala. Tafiditra ao anatin’ny Faritra Arovana Mangoky Ihotry na CMI (Complexe Mangoky Ihotry) ity toerana nanatanterahana fambolena zanaka baobaba ity. Ny hamerenana amin’ny laoniny indray ireo faritr’ala ary koa ny hamerenana ny fahafaha-mamokatry ny mponina no tanjona, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasiônalin’ny tetikasa Tefiala, Rakotonarivo Rinah Zo.
Tanjon’ny tetikasa, amin’ity taona 2025 ity, ny hanatevenana indray, ny ala simba amin’ny velaran-tany mirefy 25 ha, sy ny fambolen-kazo amin’ny velarana mahatratra 20ha. Kaominina miisa 4 mandrafitra ny Endritany Bas Mangoky, dia Ankatsakantsa Sud, Tanandava Station, Ambahikily ary Antongo Vaovao, no voakasik’izany. Araka ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny tetikasa Tefiala any Atsimo andrefana, dia karazan-kazo zana-tany miisa 57 000 fototra no hovolena, izay ahitana hazo fihinam-boa, ala haingam-pitombo sy ala vadim-boly.
Fandraisan’anjaran’ny rehetra
Raha tsiahivina dia natsangana ity tetikasa Tefiala ity, tamin’ny taona 2023, mba hanarenana ny tany sy ny ala simba amin’ny velaran-tany 4 tapitrisa ha, raha toa ka efa hatramin’ny taona 2018 no nanomanan’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Loivainjafy azy. 5 taona no faharetan’ny tetikasa
Nandray anjara tamin’ity fambolena zanaka renala, ho fanarenana ny atiala ity, ireo manam-pahefana isan-tsokajiny any amin’ny Distrikan’i Morombe sy ireo mpisehatra ara-tontolo iainana ao amin'ny Endritany Bas Mangoky, niaraka tamin’ireo fokonolona any an-toerana.