• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fanadiovana an-tanàn-dehibe : Ho foanana ny toeram-panariana fako tsy nahazoana alalana

27/02/2025 15:55 © Moov

Mitohy ny ezaka rehetra natao hanadiovana ny tanànan’Antananarivo. Isan’ny tanjon’ny Ben’ny tanàna vaovao ny fanafoanana ireo toby fanariana fako tsy ara-dalàna. Efa mandeha ny asa fanadiovana tanterahin’ny orinasa SMA amin’ireny toerana ireny amin’izao fotoana izao.

Manerana ny fokontany

Efa saika ahitana ireny toerana foronin’ny mponina ireny hanariany ny fakony ny Fokontany rehetra isaky ny Kaominina. Mazàna dia eny amin’izay toerana malalaka akaikin’ny tanàna eny fotsiny no hanarian’ireo mponina ny fakony kanefa efa misy ny toerana voatokana ho amin’izany. Tsy hanavahana ihany koa ny mpanary fako fa saika manao izany avokoa ny sokajin’olona samihafa.
Notanterahin’ny SMA ny alin’ny alarobia 26 febroary teo àry ny fanalana ny fako be mivangongo tetsy Ambilanibe Andavamamba (Boriborintany faha-4). Hitohy io fanadiovana io eo amin’ny tsena eo Namontana sy ny manodidina. Tsy hijanona eo fa hiparitaka ny asa raha ny fanafoanana izany fihetsika izany no tanjona tena tiana ho tratrarina.

Mitaky fiaraha-miasa

Manatanteraka io asa fanadiovana io ny orinasa SMA, miaraka amin’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra mba ho tombony ho an'ny rehetra. Izany indrindra no ilàna ny fiaraha-miasan’ny mponin’Antananarivo rehetra mba hahafahana manatratra ny tanjona haingana. Afaka mandray anjara amin’izany fanadiovana izany avokoa ny rehetra amin’ny alalan’ny tsy famoronana ireny toerana hanariana fako ireny.
Tsara ny mampatsiahy fa ireo fako mitoby eny amin’ny toerana ara-dalàna no tena voalohan-draharahan’ny SMA ary ireo mponina ihany no mampahafantatra ny fisian’ireo toerana fanariam-pako hafa. Izany hoe mety maka fotoana ela vao ho tonga eny ny SMA ka mampitombo hatrany ny loto. Izany no ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra, hahafahana manana tanàna madio.

Lire la suite

Articles Similaires