Fanajariana ny lakandrano C3 : Tokantrano 87 no hafindra amin’ireo trano vaovao eny Andavamamba
Ny 71% amin’ny asa fanajariana ny lakandrano C3 no efa vita ankehitriny, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanajariana ny lakandrano sy ny fanorenana ireo trano izay hamindrana ireo mponina tsy maintsy nakisaka, noho ity tetikasa ity. Nitsidika ny teny Namontana sy Andavamamba, izay isan’ny lalovan’ity lakandrano ity, ny filoha Andry Rajoelina androany 27 febroary 2025.
Fanajariana ao anatin’ny tetikasa PRODUIR
Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa Fampandrosoana sy Fiarovana ny tanàn'Antananarivo (PRODUIR), izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ity fanajariana ny lakandrano C3 ity. Raha tsiahivina dia mirefy 12km izany, miala eny Anosibe hatreny amin’ny « station de pompage » Ambodimita. Mpanatanteraka ny tetikasa kosa ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany. Tanjona ny hamerenana ity lakandrano ity ho toy ny tany amin’ny taona 1990, fony mbola tsy niroborobo ny fanorenana tsy ara-dalàna, izay isan’ny mitarika ny fahatsentsenany.
Eny Namontana no nametrahana ireo milina fanamainana ny fotaka nesorina avy ao anatin’ny lakandrano C3. Natao izany dingana fanamainana izany, satria ambony ny tahan’ny singa mety hiteraka tsy fahasalamana amin’ireo rano miandrona eto Antananarivo sy ny manodidina, ka tsy maintsy diovina aloha ny fotaka, mialohan’ny hanariana azy eny Iarinarivo, Distrikan’Ambohidratrimo. Natao izao fanesorana ny loto sy ny fotaka izao, mba hahalalina indray ny lakandrano, ka hahafahany mitahiry rano bebe kokoa
Fanorenana tsy ara-dalàna
Eny Andavamamba kosa no napetraka ireo toeram-ponenana vaovao, hamindrana ireo tokantrano voatery nakisaka noho ny asa fanadiovana sy ny fanajariana. Tokantrano miisa 87 no hafindra amin’ireo toeram-ponenana vaovao ireo, izay hositrahan’izy ireo maimaim-poana. « Tsy mitsaha-mitombo ny mponina eto Antananarivo, ka raha tokony ho 300.000 no isan’ny mponina eto dia efa tafakatra 3 tapitrisa isika amin’izao », hoy ny filoha Andry Rajoelina. Miteraka fanorenana marobe izay sady tsy manara-dalàna no tsy manaraka ny fenitra izany. Noho izany indrindra no maha-zava-dehibe ny tetikasa PRODUIR, hoy izy, izay manatsara ny endriky ny tanàna sady manatsara ny fiainan’ny mponina.
Tombanana ho vita tanteraka amin’ny volana jona ho avy izao ity tetikasa fanajariana ny lakandrano C3 ity.



